Politique

Guy Rivo Randrianarisoa Ravao ny governemanta …


  • Zoma 04 Mey 2018

Miakatra hatrany ny maripanan’ny politika eto amin’ny firenena. Manaraka ny ara-dalàna Izahay ary tsy miala amin'izay satria Solombavambahoaka voafidy tao anaty lalàmpanorenana.

Tsy manakana anay tsy hitolona ho amin'ny fiovana izany, hoy ny hafatra nataon’ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa tao amin’ny tambajotran-tserasera. Lavina tanteraka ireny lalàna fehizoro telo mifehy ny fifidianana ireny. Fakana fahefana mialoha ny fotoana ireny satria natao 8 volana monja mialoha ny datim-pifidianana sady manilika mpifaninana ary mametraka fanisam-bato mankany amin'ny halatra. Takiana hatrany ny fanesorana io lalàna io. Ravao ary soloy ny governemanta. Olona tsy hanao kolikoly sy hangalatra no hapetraka eo fa olona hametraka mangarahara sy tsy mitongilana hitantana ny fifidianana, hoy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa. Hataovy amin'ny tokony ho izy ny asanao amin'ny maha filoham-pirenena anao. Ampy izay ny fanomezana vahana ny olona miaraka aminao manao tsikombakomba sy fanodinkodinana vola sy fananam-bahoaka. Ataovy mifanaraka amin'ny marina sy ny hilain'ny mponina. Raha tsy izay dia mametraha fialana malaky, hoy hatrany ny hafatra mivaivay. Tsy mivoaka amin'ireo ny fangatahana ary mitohy izao tolona izao raha tsy mivaly ireo. Nanambara ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa fa tsy maintsy miverina miasa ny filohan'ny sendikan'ny Air Madagascar Rado Rabarilala rehefa nandray anjara fitenenana teo amin'ny kianja 13 mey ny tenany. Izany, hoy izy, dia nataonay nandritra ny fandalovan'ny depiote 73 tao amin'ity orinasam-panjakana ity. Tsara ny mampahatsiahy fa nesorina noho ny fitarihana hetsika sendikaly izy sy ny namany maromaro. Nampiakatra ny raharahara teny amin’ny filankevi-panjakana ary nahazo rariny narahina didy mamerina azy ireo amin’ny asany, saingy nohitsakitsahin’ny fanjakana ny fampiharana azy. Efa fomba mahazatra io ho an’ny HVM, toy ny resaka fahazoan’ny hetsika ara-politikan’ny olona tsy mitovy firehana aminy efa mahazo alalana, saingy andefasana mpitandro filaminana hamoritra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT