Politique

Antoko Marina “Tsy azo vahana ivelambelany intsony ny aretim-pirenena”


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Herintaona sy tapany mialoha no efa tsinjonay izao zava-mitranga ankehitriny izao, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika Marina, Désiré Ranaivoson, raha naneho ny heviny manoloana ny zava-misy ankehitriny.

 Fepetra 5 no napetrakay raha tiana ny hisoroka krizy tamin’izany ho an’izay nahatadidy. Ny voalohany dia ny hoe tokony hofidiana ny filoham-pokontany dia ireo avy eo no mikarakara fifidianana mba tsy ho very zo ny eny ifotony. Ireo no mahalala ny olana ao amin’ny fokontaniny ary manana tamberin’andraikitra hampiditra ny vahoakany anaty lisi-pifidianana. Tokony hisy ny fahalalahana maneho hevitra amin’ny endriny rehetra ka toy ny fanokafana ny RNM sy TVM amin’ny ankolafy tsy an-kanavaka. Saingy tsy nisy moa izany ka dia iny notongavan’ny depiote teny Anosy iny. Fahatelo ny hoe ataovy mazava ny datim-pifidianana. Tsy nipoitra izany hatramin’izao. Fahefatra dia nisy ireo dinika natao niaraka tamin’ny CENI sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny governemanta sy ny mpanao politika ny amin’ny vahaolana hanatsarana ny fifidianana ka tokony ho raisiny. Saingy tsy noraisina koa anefa ny ankamaroany. Ny farany moa dia hoe tokony hipetraka ho Raiamandreny amin’izay ny filoham-pirenena fa tsy milatsaka intsony raha tiana ny hisian’ny fitoniana bebe kokoa. Amin’izao fotoana, hoy hatrany ity mpandrindra ity, dia mila vahana ifotony mihitsy fa tsy azo jerena ivelany fotsiny intsony ny toe-draharaha. Ato ho ato izahay, hoy izy, hamoaka izay mba heverinay ho fanafody farany hatsipy amin’ny manam-panahy fa mila mandinika tsara aloha.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT