Nametraka fitoriana eny amin’ny fampanoavana Anosy ny Loholona Olivier Rakotovazaha noho ny ambara fa herisetra natao azy sy ny mpiara-miasa taminy nandritra ny hetsika famoahana ireo mpiasa tao amin’ny biraon’ny antenimierandoholona nataon’ireo depioten’ny fanovana ny alarobia 2 aprily teo.
Nilaza moa ity loholona avy amin’ny antoko MFM , izay notendren’ny filoha ity fa norahonana sy natao tery vay manta tao amin’ny biraony, ary nohidiana tamin’ny alalan’ny rojo vy sy “gadenat” rehefa tsy nanaiky hivoaka. Nambarany fa anisan’ny toriany amin’izany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa sy ny depiote avy any Ambovombe ary ny mpandrindra ny Mapar Hery Rasoamaromaka. Nanao fihetsika tsy araka ny tokony ho izy tamin’ny tenako sy ny olona niara-niasa tamiko izy ireo, hoy izy. Natositosika tsy nananana antra, norahonana ary nohidiana tsy amin’ny sitrapoko tao amin’ny trano fiasako aho, izany no nihatra tamiko, hoy ity loholona ity. Nambarany fa tsy mifanaraka amin’ny demokrasia izany. Rehefa tsy te hanaraka ny zavatra ataon’izy ireo izahay dia tokony hohajainy ny safidinay, hoy hatrany i Olivier Rakotovazaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.