Politique

Depiote ho an’ny fanovana Mitohy sy miha mafy ny tolona


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Mikatso tanteraka aloha ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mitombo hery hatrany ny herim-panoherana, ka mahavita mampikatso ny fampiodinan-draharaham-panjakana samihafa amin’ny alalan’ny fakana ny mpiasan’ny Minisitera isan-karazany ny depioten’ny fanovana. Omaly dia nihazo ny Minisitera maromaro teny Anosy izy ireo sy ny vahoaka mpitolona.

Notetezina avokoa ireo minisitera rehetra dia ny Fanabeazam-pirenena, Toekarena sy teti-pivoavarana, Fambolena sy fiompiana, Tetikasan’ny Filoham-pirenena, Raharaham-bahiny. Hatrany amin’ny faritany, dia efa nikatso ny fadin-tseranana omaly satria nanao fitokonana ny mpiasan’ny ladoany tao Toamasina. Nisy ihany koa ny fitokonan’ny mpianatry ny Lisea teny Nanisana, izay namoaka ny mpianatry ny LTP Ampasampito avy eo, izay tsy fantatra hoe toromarika avy amin’ny solombavambahoaka sa tetika hoenti-mandoto ny tolon’ny 13 mey? Milaza hanohy ny tolona sy haka ireo minisitera sy sampan-draharaha mbola tsy azo, toy ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Jirama eny Faravohitra ny depioten’ny fanovana sy ny vahoaka anio, ka dia ho hita ny tohiny. Nampahatsiahy sy nampitandrina mantsy ny mpitandro filaminana omaly, fa voarara sy henjehin’ny lalàna ny fidirana amboletra amin’ireny faritra ireny. Etsy ankilany ihany koa anefa, dia misy ny zo fototra haneho hevitra sy ny zo sendikaly hananan’ny mpiasa hanao fitakiana, ka tsy hay izay mety ho fifandroritana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mazava aloha amin’izao fotoana izao, fa tena tsy voafehin’ny mpitondra intsony ny fanjakana, ka ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro filaminana indray no mety ho vahaolana kely ho azy. Na izany na tsy izany, dia mety tsy hipetra-potsiny ny andaniny dia ny depiote satria iaraha-mahalala rahateo fa mbola mikatso ny fifampidinihana. Na ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM hisian’ny adihevitra eo amin’ny depiote mpanohitra sy ny mpanohana fitondrana aza, dia tsy tonga ny depioten’ny fanovana. Mitandrina mafy izy ireo amin’ny mety ho fandrika handotoana ny tolona na hamonoana afo rehefa dinihina ny zava-misy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT