• Alarobia 06 Jona 2018
Politique.Hery Rajaonarimampianina Hanapitra fe-potoam-piasana sisa

Azo antoka 90% fa tsy ho anisan’ireo kandida hifaninana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana eo intsony ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, raha ny tsiliam-baovao heno ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Jona 2018
Politique.Ntsay Christian Hotohanan’ny Firenena Mikambana hatrany

“Nous Restons ensemble” na hoe miaraka foana isika. Izay no namaranan-dRamatoa Violet Kakyomya ny teny fohy nataony tao amin’ny kaonty “facebook”ny omaly raha namintina ny fivoriana farany niarahan’ireo solontenan’ny

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Jona 2018
Politique.Antoko Teza « Hanandratra jiolahy ny marimaritra iraisana »

« Initiative pour l’émergence des mafieux » na fanandratana jiolahy no hitranga eto fa tsy « Initiative pour l’émergence de Madagascar », hoy ny filohan’ny antoko Teza, Jean Louis Rakotoamboa, raha mbola hitohy amina fitadiavana « consensus » na marimaritra iraisana eto foana isika.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Jona 2018
Politique.Didier Ratsiraka sy ny AREMA Maika hanangana tetezamita ?

Aoka isika rehetra samy hanana fanetren-tena ary hanompo ny fahamarinana izay dradradradraina, fahatsorana,… hoy ny Amiraly Didier Ratsiraka teny amin’ny CCI Ivato nandritra ny fanasan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM ny 31 mey teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Jona 2018
Politique.Fikambanan’ny mpivarotra Diso fanantenana amin’ny praiminisitra vaovao

Nanantena fanovana izahay saingy gaga kely nahita ilay praiminisitra nivoaka, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Fikambanan’ny Mpivarotra Mitovy Fijery (FMMF) omaly raha nanambara ny fahadisoam-panantenan’izy ireo tetsy amin’ny Railovy Analakely.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 06 Jona 2018
Politique.Kolonely Lylison Nipoitra amin’izay

Manomboka miparitaka ny sarin’ny kolonely Lylison amin’izao fotoana izao, ary re fa afaka soa aman-tsara tamin’ny fanenjehan’ny fanjakana HVM azy izy.

Hamaky ny tohiny
FTT