“Nous Restons ensemble” na hoe miaraka foana isika. Izay no namaranan-dRamatoa Violet Kakyomya ny teny fohy nataony tao amin’ny kaonty “facebook”ny omaly raha namintina ny fivoriana farany niarahan’ireo solontenan’ny
sampandraharahan’ny firenena mikambana eto Madagasikara niaraka tamin’Atoa Ntsay Christian izay voatendry praiminisitra izy. Fehezanteny fohy kanefa mahalaza zavatra betsaka ary manaporofo fa ao ambadik’ity praiminisitra vaovao ity hatrany ny firenena mikambana. Karazana fihaonana fanaovam-beloma sady firarian-tsoa ity natao teny amin’ny foiben-toeran’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara eny Andraharo ity. Tsy afaka hiandraikitra intsony ny toeran’ny lehiben’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) ho an’i Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seisela intsony Atoa Ntsay Christian, izay tena andraikitra goavambe tokoa. Mbola hitohy hatrany anefa ny fifandraisana eo aminy sy ireo sampandraharahan’ny Firenena mikambana amin’ny maha lehiben’ny governemanta azy. Tsy takona afenina ihany koa fa anisan’ireo Malagasy tena atokisan’ny sehatra iraisam-pirenena ity praiminisitra vaovao ity noho ny fianarana norantoviny tany ivelany sy ny andraikitra efa nosahaniny. Ny manitikitika ny sain’ny maro ankehitriny dia ny hoe : hanao izay mahasoa sy mampilamina ny firenena tokoa ary ve i Ntsay Christian sa hanatanteraka fotsiny izay baikon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.