Politique

Kolonely Lylison Nipoitra amin’izay


  • Alarobia 06 Jona 2018

Manomboka miparitaka ny sarin’ny kolonely Lylison amin’izao fotoana izao, ary re fa afaka soa aman-tsara tamin’ny fanenjehan’ny fanjakana HVM azy izy.

 Mandeha ny resaka fa nofoanana ny didy fampisamborana, noho ilay raharaha fiantsoana ny hanaovana tanàna maty an’Antananarivo nataony ny andron’ny 25 mey 2016, ka nanomboka teo ny fanenjehana azy. Ny andalana faha-3 ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana no hahafahana manenjika azy amin’izany satria nambara fa nanao heloka sy tratra ambodiomby. Nohelohina herintaona am-ponja sazy mihatra ny 14 febroary 2017. Tsy nisy dikany sy tsy noraharahiana intsony nanomboka teo ny zo tsy azo henjehina ananany amin’ny maha loholona voafidy ara-dalàna azy noho izay filazana fa tratra ambodiomby izy. Namoahana didy fampikarohana sy fampisamborana, ka tsy hita popoka nandritra ny roa taona ary izao mipoitra izao. Tsy tongatonga ho azy izany, izay tombanana avy hatrany ho vokatry ny fifanarahana politika nisy teo amin’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT