Aoka isika rehetra samy hanana fanetren-tena ary hanompo ny fahamarinana izay dradradradraina, fahatsorana,… hoy ny Amiraly Didier Ratsiraka teny amin’ny CCI Ivato nandritra ny fanasan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM ny 31 mey teo.
Efa noteneniko, hoy izy, fa misy zavatra tsy mety ao dia andao harenina. Anisan’ny nambarany fa tena fositra ny lalàmpanorenana. Io azo hovana hahasoa an’i Madagasikara, hoy izy. Nambaran’ny amiraly fa azontsika atao ny manavotra an’i Madagasikara ao anatin’ny 5 taona raha ohatra ka miara-misalahy isika rehetra. Ny ampitson’iny, dia nandeha ny famoahana fehin-kevitra sy karazana tondrozotra efa voaoman’ireo mpanao politika maromaro, nahitana ny Sekretera nasionalin’ny Arema Simon Pierre sy mpanao politika maro, toa an-dry Pety Rakotoniaina, Eliana Bezaza. Novakiana ny ambara fa fehin-kevitry ny fivoriana sy ny dinika ilay karazana tondrozotra nataon’izy ireo, izay efa nitondra ny datin’ny 29 mey. Fanakorontanana na kajikajy politika mba saika hanararaotana ny krizy indray sitrany ahay mahazo fahefana ve no antony ? Nivoitra tao anatin’izay ny tsy tokony mbola hidirana ao anatin’ny fifidianana, fa ny firosoana kosa amin’ny fananganana ny Fahefana ambony momba ny fanorenana ifotony na ny HAR (Haute Autorité Pour la Réfondation) no hajoro eto amin’ny firenena, izay rafitra efa miendrika tetezamita tsotra izao. Io izany ve no mahamaika ny Amiraly sy ny antokony ka nahatongavan’izy ireo teny amin’ny CCI Ivato niaraka tamin’ireo antoko mitsilopilopy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.