Politique

Hery Rajaonarimampianina Hanapitra fe-potoam-piasana sisa


  • Alarobia 06 Jona 2018

Azo antoka 90% fa tsy ho anisan’ireo kandida hifaninana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana eo intsony ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, raha ny tsiliam-baovao heno ny sabotsy teo.

Mandeha ny feo fa nisy fihaonana mangingina nifanaovan’ny tenany sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, niaraka tamina solontenan’ny vondrona iraisampirenena. Nifanarahana tamin’izay fotoana izay, raha ny voalaza fa ho marimaritra iraisana ny hanendrena ny praiminisitra vaovao na dia tsy tao anatinn’ny lisitra tena izy nomen’ny MAPAR aza,  saingy ho setriny kosa dia tsy kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manarraka eo fa kosa havela halalaka hanapitra ny fe-potoam-piasany ny filoha Rajaonarimampianina. Hanapitra fe-potoana, araka izany, sisa ny filoha ankehitriny  raha io tsiliam-baovao io. Tombatombana miara-dalana amin’izay ihany koa anefa ny mety ho kandida hatolotry ny HVM. Mety ho ny vadiny, Voahangy Rajaonarimampianina ve ?

J.Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT