« Initiative pour l’émergence des mafieux » na fanandratana jiolahy no hitranga eto fa tsy « Initiative pour l’émergence de Madagascar », hoy ny filohan’ny antoko Teza, Jean Louis Rakotoamboa, raha mbola hitohy amina fitadiavana « consensus » na marimaritra iraisana eto foana isika.
Nisy marimaritra foana teto tamin’ny 1991, 2002, 2009 dia mbola hiditra amin’izany koa isika izao nefa efa niaraha-nahita foana ny vokany. Ny vahaolana, hoy izy, dia aleo hisy fitondrana hiarahan’ny fiarahamonim-pirenena sy miaramila mitondra ao anatin’ny 1 taona. Mandritr’izay fotoana izay dia miara-miady hevitra ny amin’ny fomba hanamboarana ny fitsipiky ny demokrasia eto ny mpanao politika fa tsy mbola miditra anaty fitondrana. Rehefa masaka sy iraisan’ny rehetra ny lalàm-panorenana sy fitsipika rehetra tokony hampiharina eto dia izay vao tokony hamadika izany ho lalàna sy miroso amin’ny fifidianana, hoy hatrany ny Antoko Teza, fa tsy hahaova na inona na inona io praiminisitra vaovao io.
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.