Nanantena fanovana izahay saingy gaga kely nahita ilay praiminisitra nivoaka, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Fikambanan’ny Mpivarotra Mitovy Fijery (FMMF) omaly raha nanambara ny fahadisoam-panantenan’izy ireo tetsy amin’ny Railovy Analakely.
Anisan’ny natao fakana vato foana hatramin’izay ny mpivarotra, hoy ity fikambanana ity, ary isaky ny misy tolom-bahoaka eo amin’ny 13 mey dia lasibatra voalohany satria voatery manidy tsena. Rehefa tsy afaka mivarotra dia manatevina ny tolona satria mahatsapa ho mila fanovana tokoa. Izany no nahatonga ny FMMF nitsangana nanomboka ny 21 aprily teo. Efa nodradraina teny an-kianja foana fa na i Christine Razanamahasoa na i Brunel Razafitsiandraofa na i Tinoka Roberto no tokony ho lasa praiminisitra saingy iny niaraha-nahita iny no nitranga. Manahy izahay fa misy dian-tanan’ny fianakaviambe iraisampirenena indray izao, hoy izy ireo, ary dia tsy ho tonga amin’ny fanovana notadiavina akory isika. Voatonona be indrindra teny koa ny hoe « Miala Rajao » kanefa tsy voaresaka intsony. Hetahetan’ireto mpivarotra ireto ny hisian’ny mpitondra vaovao hahay hifanaraka amin’ny tompon’andraikitry ny CUA mba hamahana mora foana ny olan’ireo mpivarotra amoron-dalana. Tsy hiandry fotsiny fa hanara-maso ny fiainam-pirenena amin’ny maha olom-pirenena azy ny mpivarotra manomboka izao, raha ny fanambarany omaly.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.