• Alatsinainy 15 Aprily 2019
Politique.Arlette Ramaroson –Mpahay lalàna « Tsy tokony hampiasaina intsony ilay anarana IRD »

Anisan’ny resabe mbola mitana ny sain’ny maro eto amin’ny tany sy ny firenena ny fampiasan’ireo mpanara-dia ny filoha ankehitriny ilay anarana hoe : “Isika rehetra miaraka amin’ny filoha Andry Rajoelina”.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 13 Aprily 2019
Politique.Volaben’ny ladoany sy CNaPS Robaina amin’ny fomba mihaja ?

Sesilany ny fanesorana sy fanendrena olom-panjakana ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary matetika misy foana io isak’izay misy filankevitry ny minisitra. Am-polony maro ary mananika ny an-jatony isak’izay mandeha. Fanatsarana noho ny fiovan’ny mpitondra eto amin’ny firenena no ambara fa hevi-dehibe fonosin’ireny, saingy maro ny mandika fa mba fanomezana valim-babena ny ekipan’ny filoha tamin’ny fampandaniana azy.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 13 Aprily 2019
Politique.Andry Rajoelina Filoha tsy manan-kambo

Tao anatin’ny fotoam-pahatsiarovana ny fotoana 29 martsa 1947 nagidy tamin’ny Malagasy no nireharehana sy nandokafan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina an’i Sénégal. Tsy sanatria gejain’ny tantara sy ny lasa na koa mivoy fifandrafiana tokony hohadinoina fa fotoana tena tsara hamoahana an’ireny ve ny fotoam-pahatsiarovana ny 29 martsa 1947 ?

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 13 Aprily 2019
Politique.Hanitra Razafimanantsoa “Tsy tokony hifandrafy ny DINIKE sy ny TIM”

Tsy tokony hifandrafy ny DINIKE (DINika Iombonan-KEvitra) sy ny TIM (Tiako I Madagasikara), ary tsy misy olana mihitsy eo amin’ny roa tonta, ho an’ny boriboriborintany voalohany, hoy ny kandida Hanitra Razafimanantsoa. Ny DINIKE, dia hanohana ny an’i Marc Ravalomanana rehefa tonga eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 13 Aprily 2019
Politique.Fanonganana an`i Rivo Rakotovao Ketrehina amin’ny fivoriana manaraka…

Raha ny tontolon’ny politika no hanaovana jery todika nandritra ny telo volana nijoroan`ny fitondrana Mapar dia saika mitodika betsaka amin’ny lonilony sy valifaty politika. Maro ireo mpanao politika na mpandraharaha tsy mitovy firehana amin`ny fitondrana no any am-ponja na niakatra fitsarana. Eo ihany koa ny tsy fahamatoran`ny mpanao politika izay miovaova loko.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 11 Aprily 2019
Politique.Fitondram-panjakana Hikorontana ambony ambany atsy ho atsy

Milaza fa miasa ny fanjakana, fihetsiketsehana etsy sy eroa. Efa mazava anefa fa tsy misy ny vola.

Hamaky ny tohiny
FTT