Tsy tokony hifandrafy ny DINIKE (DINika Iombonan-KEvitra) sy ny TIM (Tiako I Madagasikara), ary tsy misy olana mihitsy eo amin’ny roa tonta, ho an’ny boriboriborintany voalohany, hoy ny kandida Hanitra Razafimanantsoa. Ny DINIKE, dia hanohana ny an’i Marc Ravalomanana rehefa tonga eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Mazava io fa tsy tokony hifandrafy ireo satria hevitra iray ny iombonana, ary raha haravona dia mizotra mankany amin’ny « Rodoben’ny mpanangana ». Ho an’ny boriborintany voalohany manokana, mifameno tanteraka ny TIM sy ny DINIKE satria na ny lisitra faharoa ho an’ny kandida Hanitra Razafimanantsoa aza dia avy amin’ny vovonana Dinike amin’ny alalan’ny Pasitera Randriamisata Roger. Raha halalinina io zava-misy io, tsy tokony hifandrafy sy hifanenjika ny roa tonta, fa samy manao izay ho afany amin’ny fandresen-dahatra ny vahoaka. Politika no lalaovina, ka samy manana ny mety heveriny ho hampahomby ny paikadiny satria hevitra sy foto-kevitra no handresen-dahatra ny vahoaka ny amin’io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.