Tao anatin’ny fotoam-pahatsiarovana ny fotoana 29 martsa 1947 nagidy tamin’ny Malagasy no nireharehana sy nandokafan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina an’i Sénégal. Tsy sanatria gejain’ny tantara sy ny lasa na koa mivoy fifandrafiana tokony hohadinoina fa fotoana tena tsara hamoahana an’ireny ve ny fotoam-pahatsiarovana ny 29 martsa 1947 ?
Nitohy tamin’ny naha vahiny manan-kaja azy tany Sénégal nandritra ny herinandro latsaka. Namaly bontana ny mpitondra tenin’ny governemanta manoloana ny tsikera fa tena nandany volabe ny filoha sy ny ekipany, ka nilazana fa misy tamberiny amin’ny firenena ny dia ary amin’ny maha vahiny manan-kaja an-dRajoelina, dia niantohan’ny mpampiantrano. Ny fanjakana Malagasy ve izany no niantoka ny fandaniana tamin’ny fahatongavan-dry Nicolas Sarkozy filoha Frantsay teo aloha, ny filohan’i Guinée Alpha Condé, ny filohan’i Ghana Nana Akufo-Addo, filohan’i Namibie Hage Geingob, ny filoha Zambianina Edgar Lungu, ny filohan’i Kaomoro …? Vahiny manan-kaja ireny matoa nasaina. 3 andro raha be indrindra ny vivahinianan’ny vahiny teto fa ny antsika herinandro latsaka kely tatsy Maorisy sy Sénégal. Niantohan’ny mpampiantrano ve ny 5 na 6 andro ? Ambara fa misy ny fangaraharana sy tamberin’andraikitra. Aiza ary ny marina momba ny fiara raitra naseho tamin’ny fianiaina fa volan-dRajoelina sa volam-panjakana ? Tahaka izany ihany koa ny vary mora. Tsy manambany velively ny firenentsika fa iza moa i Madagasikara no iantohan’ny firenena vahiny mampiantrano ny fahatongavan’ny filoha Malagasy any ? Moa tsy ny mpitondra Afrikanina aza no nanaraby an-dRajoelina ho “sans qualité” tamin’ny tetezamita ? Inona ny tambiny sy ny tamberim-bidy ho an’ny firenena mpampiantrano ? Sa ireny efa fifanarahana toy ny fanomezana tany ireny ? Nambara fa efa niomana nandritra ny 5 taona ary vao tonga eo tonga dia mandeha ny asa izatsy na izaroa, saingy tsy hita izay teo. Ny resaka fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola aza nilazana tamin’ny mpifanandrina fa tsy hitrosa izany fa rehefa tonga eo ho mpampindrana an’i Kaomoro aza. Ny IEM nambara fa efa vonona ny mpamatsy vola, saingy mipopopopo atsy sy eroa ka hambo diso toerana kay no natao. Ny tetikasa nambara aloha tsy misy tena mandeha fa ny tetikasan’ny teo aloha no japiana, toy ny famatsian-drano amin’ny alalan’ny fantsona lehibe na “Pipeline” any Atsimo dia 10% sisa tsy vita, ny fanitarana ny seranan’i Toamasina sy ny lalana mampitohy azy amin’ny RN2, ny RN5A Ambilobe-Vohémar … Tsy mahamenatra ary tsy fahotana ny milaza ny marina fa fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana no mandeha. Trano 500 000, tramway, EPP asiana Parking, Ambatondrazaka atao tahaka an’i Parisy, tanàna Tanamasoandro,… no nambarany ary azony ireharehana tsara rehefa mandeha fa izao aloha mbola ny an’ny hafa no taingenana fa tsy misy velirano mandeha izany eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.