Politique

Volaben’ny ladoany sy CNaPS Robaina amin’ny fomba mihaja ?


  • Sabotsy 13 Aprily 2019

Sesilany ny fanesorana sy fanendrena olom-panjakana ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary matetika misy foana io isak’izay misy filankevitry ny minisitra. Am-polony maro ary mananika ny an-jatony isak’izay mandeha. Fanatsarana noho ny fiovan’ny mpitondra eto amin’ny firenena no ambara fa hevi-dehibe fonosin’ireny, saingy maro ny mandika fa mba fanomezana valim-babena ny ekipan’ny filoha tamin’ny fampandaniana azy.

 

Hita miharihary amin’ny fanendrena sasany rahateo ny kitranoantrano, hany ka hatramin’ny olona mpivady aza misy samy tendrena ho tale ambony amina minisitera iray mitovy, toy ny tao amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Ireny eo ihany, fa toe-javatra mampanahy ny tsy mbola nametrahana Tale jeneraly amin’ireo orinasam-panjakana goavana, toy ny CNaPS izay efa ny 20 martsa no nanesorana an’Atoa Rabekoto Raul tamin’ny toerany, kanefa tsy mbola misy solony napetraka hatramin’izao. Nalana tamin’ny toerany ihany koa ny Tale jeneralin’ny fadin-tseranana. Samy tsy mbola voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ny solony na dia sesilany aza ny fanendrena olona ambony maro be. Tsy hoe ny olona na teknisianina no tsy misy fa tena fanahy iniana tsy tendrena ny fahitan’ny maro azy. Sampandraharaha goavana be tsy misy mpitarika mazava, fa tonga dia eo ambany fifehezan’ny governemanta sy ny olona akaiky ny fitondrana. Eo no mampiahiahy ny olona hatrizay mahita mpandraharaha mpanefoefo eo anilan’i Andry Rajoelina. Sao sanatria io mpandraharaha io sy ny ekipany no miditra amin’ny fanapahan-kevitra fanesorana na fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Izany no nanakianana ny fitondrana HVM kanefa dia toa averina ankehitriny. Nogadraina i Mbola Rajaonah, izay anisan’ny mpandraharaha malaza amin’ny resaka fampidirana sy fanondranana entana ka ailika aminy avokoa ve ny rihitra amin’ny aferafera ao amin’ny seranan-tsambo  ? Volabe no mihodina na ao amin’ny CNaPS na ao ao amin’ny ladoany.

5 miliara ariary

Mampiditra 5 miliara ariary isan’andro eo ny ladoany na ny fadin-tseranana eto amintsika. Raha halalinina io, dia tetika hiniana atao hanaovana bizina na handrobana volam-panjakana amin’ny fomba avo lenta ny tsy hametrahana tompon’andraikitra ambony aloha. Malalaka ny bizina amin’ny entana miditra sy mivoaka. Manam-bola ihany koa ny CNaPS, ary tsy volam-panjakana ihany fa misy volan’ny sehatra tsy miankina, ka lojika raha tsiriritin’ny mpitondra. Efa niseho teto rahateo taorian’ny 2009 ny hoe najifa ny tahirim-bola vahiny tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny vola tokony ho naompana tamin’ny ady amin’ny VIH/SIDA,… Mitady hiverina ve io fomba io ? Manaratsy endrika eo imason’ny mpiara-miasa sy ny mpamatsy vola izao tsy fisiana Tale jeneralin’ny Ladoany sy ny CNaPS izao, ary toa mifanohitra amin’ny fanjakana tsara tantana na ny “bonne gouvernance”. Miha mipoitra tsikelikely ilay fomban’ny tetezamita: akamakama, gaboraraka, tsy fanajana rafitra, loham-boto amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT