Politique

Fitondram-panjakana Hikorontana ambony ambany atsy ho atsy


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Milaza fa miasa ny fanjakana, fihetsiketsehana etsy sy eroa. Efa mazava anefa fa tsy misy ny vola.

 

 

Tsy misy asa mivaingana vita ka misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.  Misy ady mangatsiaka eo amin’ny samy foloalindahy, tarazon’ny fampihavanana tsy vita taorian’ny 2009 io, nisy ireo nahazo tombontsoa mihoapampana satria nanaraka ny fitsoky ny rivotra politika. Misy ireo niasa mafy kanefa mahatsiaro natao tohatra fiakarana ary natao an-jorom-bala rehefa avy eo. Ny mpandraharaha, mbola miaina ao anaty fitaintainana, ny goavana mialokaloka ao an-damosin’ny filoha ihany no tena mahazo tombony. Tsy sahy manao fampiasam-bola be izy ireo satria mbola manahy korontana (fanafihana, kidnapping…), hany ka maro no mitahiry sy tsy mampody ny volany any ivelany, toy ny ankamaroan’ny mpandraharaha amin’ny lodsia izay mbola any ampita ny volan’ny ankamaroany tamin’ny fanondranana farany teo. Ny vahoaka mbola ny omaly tsy niova, mitombo isa aza ny tsy an’asa. Sady kely karama, tsy ampy sakafo, mandry andriran’antsy noho ny asan-jiolahy. Misy ireo nanantena fa hiova ny fiainany, kinanjo vary mora mbola hifandrombahana sy potipotika no tonga. · Hita taratra amin’ny zava-misy eny an-dalambe ny gaboraraka sy ny tsy fanajana ny lalàna. Efa manomboka mikononkonona fitokonana ireo sendika isan-tokony, efa manao io ny SECES eny Ankatso, izay efa ho iray volana hodiana bemarenina. Ahiana hifandramatra ny samy mpitandro ny filaminana noho ny tsy fifankahazoana. Ny mpitsara sy ny fanjakana ihany koa io fa misy lonilony. Isaky ny misy fahasosorana na fahatezerana dia manimba zavatra avy hatrany ary miroso amin’ny fitsaram-bahoaka ny olona. Mikatso ny toekarem-pirenena satria tsy mihodina araka ny tokony ho izy ireo orinasa. Miha mahazo vahana ny vahiny. Misamboaravoara be ny any anaty fiarahamonina. Romodromotra ny olona noho ny fahasahiranana. Mbola ho savorovoro politika be io rehefa tafapetraka eo ny parlemanta be mahaleotena sy mersenera politika. Hiteraka tsy fitoniana amin’ny fitantanana ny firenena sy ny fampandehanana ny raharaham-panjakana. Ho avy ny korontana ara-tsosialy sy ara-politika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT