Politique

Arlette Ramaroson –Mpahay lalàna « Tsy tokony hampiasaina intsony ilay anarana IRD »


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Anisan’ny resabe mbola mitana ny sain’ny maro eto amin’ny tany sy ny firenena ny fampiasan’ireo mpanara-dia ny filoha ankehitriny ilay anarana hoe : “Isika rehetra miaraka amin’ny filoha Andry Rajoelina”.

 

 

 

 

Nambaran’i Arlette Ramaroson izay mpahay lalàna iraisam-pirenena no sady efa kandida filoham-pirenena tamin’ny fifidianana farany teo fa tena voararan’ny lalàna tanteraka ny fampiasana io anarana io. Mazava be mantsy, hoy izy ny tian’izany anarana ambara izay toy ny efa miantso ny vahoaka hifidy ireo kandida natolony sahady. Ny nahavariana anefa, hoy hatrany Arlette Ramaroson dia neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fampiasana izany, ity andrim-panjakana iray ity izay nomarihiny tsara fa efa ela no tsy nankasitrahany sy tsy nekeny ny fomba fiasany. Na izany aza anefa hoy izy dia samy manana ny fomba fijeriny zavatra sy ny fahaizany ny mpitsara tsirairay avy. Mikasika ny fifidianana solombavambahoaka manokana moa dia fantatra fa kandida roa ihany no tohanany eto Antananarivo dia ny any Ambohidratrimo sy Atsimondrano raha maromaro kosa ny any amin’ny Faritra SAVA. Hampiavaka ireo kandida tohanany ireo raha ny fanazavany ny fandavana ny fandraisana fiara 4x4 ka ny vola tokony hividianana izany dia hatolotra manontolo ho an’ny minisiteran’ny mponina sy ny minisitera miahy ny tanora. Diso mahantra loatra mantsy ny Malagasy hoy izy ka tokony hamindrana fo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT