Politique

Fanonganana an`i Rivo Rakotovao Ketrehina amin’ny fivoriana manaraka…


  • Sabotsy 13 Aprily 2019

Raha ny tontolon’ny politika no hanaovana jery todika nandritra ny telo volana nijoroan`ny fitondrana Mapar dia saika mitodika betsaka amin’ny lonilony sy valifaty politika. Maro ireo mpanao politika na mpandraharaha tsy mitovy firehana amin`ny fitondrana no any am-ponja na niakatra fitsarana. Eo ihany koa ny tsy fahamatoran`ny mpanao politika izay miovaova loko.

 

Vao nisy niditra tamin`ny fivoriana tsy ara-potoana ny teo anivon`ny Antenimierandoholona dia nisy ny fikasana hanongana ny filoha Rivo Rakotovao, ny volana febroary lasa teo ary saika mpikambana eo anivon`ny antoko HVM avokoa no namadika azy. Tsy mahagaga izany fa ny politika eto amintsika dia “tsy dia naman`ny resy fa sakaizan`ny mpandresy”. Raha ny loharanom-baovao voaray dia ny fivoriana ara-potoana voalohany an`ireo parlemantera vaovao no hiketrehana izany indray. “Aleo ny hoavy no hanambara fa  efa safidy politika io satria mpanao politika. Izahay misafidy ny antokonay, resy ny antoko tamin`ny fifidianana filoham-pirenena kanefa tsy izany no ialanay amin’ny antokonay”, hoy izy raha nitafa fohy tamin`ny mpanao gazety. Tsy mora tokoa no miaraka ny resy saingy mila misedra izany koa satria raha tsy hanaiky faharesena dia tsy ho demokraty ihany koa, hoy ihany izy. Notsipihany fa tsy misy ifanomezan-tsiny izany fa kosa handinihana fandresena politika amin`ny manaraka. Mijoro sy mampijoro ny fahamatorana amin`ny politika ny filohan`ny Antenimierandoholona. Nilaza ihany koa izy fa naneho fahamatorana nandritra ny naha filoham-panjakana azy satria tsy ny tombontsoan`antoko akory no narovany fa ny an`ny firenena. Notsindriany manokana ny fanavahana izany ho tsy maintsy atao kanefa tsy fantatry ny sasany. Potika ny firenena raha tsy mahay manavaka izay tombontsoan`ny antoko miaraka aminao sy ny tombontsoam-pirenena izay, hoy hatrany ny fanazavana. Na ireo fanendrikendrehana feno fankahalana avy amin’ny mpitondra fanjakana na ny avy amin’ny mpanohitra dia tsy hitondra soa sy fampandrosoana ho an’i Madagassikara velively. Tsy vahaolana  ny fifandrafesana sy fifanaratsiana fa mila miombon-kery sy mampiseho firaisankina ny mpanao politika na dia samy manana ny foto-kevitra ijoroany aza.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT