Taorian`ny fivorian`ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 10 aprily lasa teo dia manomboka mafana ny amin`ireny minisitera ireny ho an`izay nisy fanendrena tompon’andraiki-panjakana ambony. Vao nivoaka ny tatitra dia efa naneho ny heviny ny maro ary saika fandavana sy tsy fankasitrahana ka anisan`izany ny tafika Malagasy. Maro ireo tsy nankasitraka ny fanendrena an`ny General de Division Rakotonirina Theophile Justin ho lehiben`ny Etamazaoro jeneralin`ny Tafika Malagasy ao amin`ny minisiteran`ny fiarovam-pirenena (CEMGAM).
Efa nanambara mialoha ny ho fandavan`ny manamboninahitra lefitra sy manamboninahitra ary manamboninahitra ambony an`ity jeneraly ity raha ekena ny fanendrena azy, eny na hatramin`ny manamboninahitra jeneraly sasany ny ho fanendrena azy io amin`ny andraikiny io. Tsy mpiasam-panjakana sivily moa no mandrafitra ny fianakaviaben`ny fiarovam-pirenena izany fa miaramila. Raha ny fantatra dia somary mafàna ra sy manivaiva olona ity lehiben`ny CEMGAM ity. Nitranga izao no efa nahian`ny mpiasa maro ka atahorana ny ipoahan`ny sarom-bilany, hoy ritsoka re. Hisy fitroaran`ny tafika ve ka hampipoaka ny sarom-bilany, sanatriavin`ny vava ? Sa kosa taorian`ny fanehoan-kevitry ny manamboninahitra isan`ambaratonga dia efa nisy ny fifampiresahana sy fandaminan-draharaha amin`ny samy tafika ka efa niravona ny raharaha ? Manara-maso ny ho fivoarany ny rehetra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.