Politique

Andry Rajoelina Tonga saina fa tena ilaina ny Fiangonana


  • Talata 23 Aprily 2019

Niara-nankalaza ny Paska niaraka tamin’ireo kristianina tao amin’ny Ekar Notre Dame de Lourdes , ao kaominina Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy, ny alahady teo ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, mivady. Ny volana aogositra lasa teo, raha nangataka fanampiana ny mpino ao amin'ity fiangonana ity, nony ezaka fanamboarana fiangonana no nilazan’ny filoha fa hiantoka ny ilaina rehetra ny tenany. Nandritra ity lamesa ny alahady teo ity no nanolorany ihany koa ny lakolosy goavana izay milanja 250kg ho an'ny Ekar Ambatomiady.

 

. « Ny Lakolosy dia marika manan-danja hafantarana ny fiangonana . Ary noho ny fiarovana izany dia nisy mihitsy pretra namoy ny ainy. Koa amin'izao Paka izao dia hafaliana lehibe ho anay mivady ny manolotra ity lakolosy lehibe milanja 250 kilao ity, ho famerenana indray izay famantarana ny fiangonana izay mandritra izao fiarahana mankalaza ny Paka miaraka amin'ny mponin'Ambatomiady izao. », hoy ny filoham-pirenena. Nanome toky ihany koa ny filoha ny hanolotra dabilio ho an'ny sekoly vaovao vao naorina eo an-tampon-tananan’ny kaominin’Ambatomiady. Mikasika ny lalana mampitohy an’Antanifotsy sy Ambatomiady, izay sarotra dia sarotra tokoa, dia nanambara ny filoha Andry Rajoelina fa efa misy ny tetikasa mikasika ny fanamboarana iny lalana iny ary ho afainganina ny fanatanterahana azy. Isan’ny fanakianana mamaivay fanaon’ity filoham-pirenena ity nandritry ny fotoam-pampielezan-kevitra ny milaza ny mpifanandrina aminy ho manao fitaovana ny FJKM. Tsy tokony hafangaro koa, hoy izy, ny raharaham-pirenena sy fiangonana ary dia iny nolazaina hoe natao amin’ny endriny « Laika » iny moa ny fianianany ny 19 janoary teo saingy hita kosa  ankehitriny fa miezaky ny manao pi-maso hatrany ny Fiangonana Katolika ny filoha taorian’ilay  fitondrana am-bavaka governemanta.Nokianina mafy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa hoe mifandray be loatra amin’ny Fjkm, ankehitriny manomboka mifandray akaiky sy manampy ny Katolika i Andry Rajoelina, izay mahatsapa tsara fa hery iray goavana eto amin’ny firenena ny Fiangonana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT