Telo volana kakotra anio 19 aprily 2019 no nitondran’ny filoha ankehitriny Andry Nirina Rajoelina na ny fitondrana IEM satria io no nanamarika azy. Sehoseho sy tapi-maso eraky ny tanàna no natao na inona na inona fanazavana mety hanakonana izany. Tsy misy asa goavana nisongadina, nijapy ny programan’ny teo aloha, ary tsy arakaraka ny fampanantenana natao tany amin’ny propagandy na nialoha izany aza ny zava-nisy, toy ny tamin’ny hoe efa fahavononan’ny mpamatsy vola ny IEM, araka ny fampahafantarana voalohany io IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) tany Frantsa ny 15 septambra 2018.
Fanesorana olona, tsy misy solony ny sasany avy eo no hita taratra, hany ka nandringa ny fitantanan-draharaham-panjakana, toy ny eo amin’ny CNaPS izay tsy misy Tale Jeneraly hatramin’izao, kanefa volabe no mihodina ao izay avy amin’ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina. Efa samy nanaovana fanairana teto na ny CNaPS na ny fadintseranana, ka ny fadintseranana mampiditra volabe manodidina ny 5 miliara ariary isan’andro ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana aloha no nametrahana Tale Jeneraly. Ny resaka asa maika ho an’ny sosialim-bahoaka dia ny vary mora indray mandeha no natao dia tapitra. Io aza mbola ady saritaka ny fitsinjarana azy, ankoatra ny tsy mangarahara hoe : volan’ny filoha sa volam-panjakana ? Misy olona mitaraina aza hoe ireo efa manana sy mpanao bizina indray no mahazo vary fa tsy ireo sahirana. Fanapahan-kevitra kitoatoa isaky ny mihetsika. Na ny samy ao anaty governemanta aza mifampiahiahy sy tsy mifampatoky. Mibaribary be koa fa tsy tena tompon’ny fanapahan-kevitra ny filoham-pirenena fa toa manaraka ny hetahetan’ireo manodidina azy. Izay efa nangoron-karena tamin’ny tetezamita ary mitady mbola hanohy izany mandritra ny 5 taona no toa mibaiko. Ny resaka diplaomasia, dia ratsy endrika i Madagasikara satria tsinjon’ireo mpiara-miasa fa tena mbola mamerina ny fomba fanaony ny TGV MAPAR sy ny ekipany. Ahiana mbola hitohy mandritra ity 2019 ity ny fampiesonana satria sahirana mitady famatsiam-bola hanatanterahana ny IEM Rajoelina ary ny mampatahotra dia mety haka vola amina mpandraharaha tsy miankina (vahiny sy Malagasy) dia hifangaro eo ny volan’ny akama sy ny volam-panjakana. Atao veloma hatreo ny resaka “bonne gouvernance”. Raha ny ambara fa velirano ankehitriny dia aoka hazava sy vantanina, fa na inona na inona fanazavan’ny filoha sy ny ekipany dia fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny asa ataon’izy ireo ankehitriny. Ny tetibolam-panjakana tsy mbola voaova na efa manana ny fahefana feno hanao izany aza Rajoelina, fa mbola ny napetraky ny fanjakana teo aloha no eo sy ny tetikasa mifandraika amin’izany. Na efa nametraka ny Programa ankapoben’ny fanjakana (PGE) aza ny Praiminisitra Ntsay Christian dia tsy mbola mifandraika amin’izany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ka tsy misy IEM mbola mandeha izany eto fa famahanan-dalitra ny filazana fa velirano no mandeha amin’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.