Atao antoko filamatra eto Madagasikara tahaka ireo antoko lehibe any ivelany : Etazonia, Alemana, na koa ny ANC (African National Conbgress) atsy Afrika atsimo izay efa naharitra 100 taona fa mbola manana ny maha izy azy ihany ny Tiako i Madagasikara na ny TIM. Efa manomana ireo mpandimby ihany koa ny TIM ary ho hita foana amin'ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana rehetra eto Madagasikara: hanabe ara-politika ny olom-pirenena ihany koa.
Efa santatarina amin’ireo kandida ho solombavambahoaka io, mba tsy ho tsangan’olona fotsiny eny amin’ny antenimieram-pirenena fa tena hiady ho an’ny soa iombonana. Hofanina amin’izay fahaiza-manao ara-politika izay ny mpikatroka sy ny olom-pirenena, ary efa nambaran’i Marc Ravalomanana ny fiaraha-miasa amin’ny matihanina avy any ivelany amin’io. Mandefa olona na manafatra matihanina ny antoko, izay miezaka manova ny fomba fanaovana politika eto amin’ny tany sy ny firenena mba tena hizotra any amin’ny fanasoavana an’i Madagasikara, fa tsy ho politikan’ny fitiavan-tena sy fikatsahana tombotsoa mihoampampana. Raha ho an’ny Filoha Nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana, dia ireny efa nanakoako teto amin’ny firenena sy hatrany ampitan-dranomasina ireny ny naha voahosotra azy ho olon’i Afrika 2017 sy mpitarika ara-politika mahay sy mendrika indrindra aty Afrika (Polical Leadership), izay tsy tongatonga ho azy. Manomboka hita taratra ny fanilo miampita sy fifampizarana fahaiza-manao miainga ao amin’ny TIM sy mipaka amin’ny vahoaka mba hahafahana mametraka ny soa iombonana hahafahan’ny firenena tena mandroso satria izay no tena mason-tsivana lehibe tokony hamaritana ny fandrosoan’ny firenena iray hoe : ny vahoaka manontolo no manomboka mivoatra amin’ny lafiny rehetra fa tsy olom-bitsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.