Politique

Marc Ravalomanana Nanome vahaolana ho an’ny fitondrana


  • Sabotsy 20 Aprily 2019

Nanaja ilay 100 andro voalohany nitantanan’ny filoha vaovao aho, hoy i Marc Ravalomanana omaly tany Mahajanga saingy efa tonga kosa ny fotoana hitenenako.Vonona aho ny hiara-kiasa amin’ny fitondrana, hoy izy saingy tsy maintsy miteny kosa aho satria tsy araka ny nampanantenaina ny zava-mitranga.Miiba iny 100 andro iny raha atao ny jery todika; tsy mahalala ny tena laharampahamehana ny mpitondra, mitombo be ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa ary tsy manam-bola ny olona, hoy i Marc Ravalomanana.

 

Nambarany fa diso lalana ny fitondrana, mitombo isa ny zaza tsy miditra an-tsekoly; mety ilay hoe hiady amin’ny kolikoly saingy ireo atidoha miketrika azy tsy voakitika, hoy izy.Notsindriany mafy ihany koa fa tsy misy ny fanajana ny hasina maha olombelona eto satria tifirina dia samborina amin’ny tsy rariny ny olona.Nandritra ny fampahafantarana ireo kandida solombavambahoaka TIM tao Mahajanga I sy Mahajanga II no niresaka mivantana tamin’ireo mpanara-dia azy sy ny olona nanatrika ny fotoana ny filoha nasionalin’ny TIM.Ity no fanehoan-kevitra voalohany niresahany politika sy ny raharaham-pirenena hatramin’ny nahavitan’ny fifidianana fihodinana faharoa ka nahatonga teo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina.

Inona ny vahaolana ?

Tsy mety ny mitsikera fotsiny fa handroso vahaolana isika, hoy i Marc Ravalomanana.Fahendrena ny miresaka sy mifampiraharaha amin’ireo mpamatsy vola mba hahafahana voalohany indrindra aloha mamafa ny trosantsika, hoy i Dada.Manaraka izay karohy ny hevitra hampianarana sy hampidiriana an-tsekoly ny zanaky ny Malagasy, fahatelo avelao ny mpandraharaha hanorina orinasa hanomezany asa ny Malagasy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT