• Zoma 15 Oktobra 2010
Loisirs.Fehinkevitry ny Ben’ny tanàna “Fitaka hanesorana anay ny fifidianana”

Nifarana omaly ny fihaonamben’ireo Ben’ny tanàna raha mbola tokony hitohy hatramin’ny anio izany. Nisy ny fehin-kevitra noraisin’ny mpivory mahakasika ny fifidianana ben’ny tanàna izay hotontosaina ny 20 desambra 2010.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 13 Oktobra 2010
Loisirs.Takelaka fametahana afisy Ataon’ny olona fanahazan-damba fotsiny

Miharihary loatra fa dia tsy miraika amin’izay propagandy ho amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalampanorenana ny Malagasy. Sasatra foana ny mpampandany ny ENY manentana ny olona, io ihany moa no mivezika atsy mivezika aroa, fa tsy taitra ny olona.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010
Loisirs.Saina Michel Désiré Mafy izany miaro seza

Tsy levon’ny vavonin’i Saina Michel, lehiben’ny faritra Analanjorofo, ny famoriam-bahoaka nataon’ny Ankolafy Telo, notarihan’ny Pr Zafy Albert tao Mananara Avaratra ny herinandro lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Septambra 2010
Loisirs.Tetezamita Tazonina i Vital sy ny akama rehetra sao …

Mifanesisesy indray tato ho ato izay ny fanambarana etsy sy eroa milaza fa tena mety amin’ny toeran’ny praiministry ny firaisam-pirenena, hono, ny jeneraly Camille Vital. Anisan’ny tena nitarika izany moa ny TGV.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 31 Aogositra 2010
Loisirs.Gabhy Nomena «Grand croix de 2ème classe»

Tontosa omaly teny amin’ny fasan-drazany Ilanivato ny fandevenana an-dRabehasina Gabriel na i Gabhy rehefa avy natao veloma farany tao amin’ny Fjkm Anosipatrana. Mialoha io dia nosalorana ny mari-boninahitra «Grand croix de 2ème classe» izay mari-boninahitra ambony indrindra fanome olon-tsotra tao amin’ny Tranompokonolona Analakely izy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Jolay 2010
Loisirs.Scoop Digital Efa am-piketrehana sahady ny “Malokila faha-9”

Raha mbola ifampitadiavana ilay sarimihetsika “Malokila 8 jours en France” dia efa am-piketrehana ny “Malok’ila faha-9” sahady ny ekipan’ny Scoop Digital. Am-periny tanteraka ny mpanoratra, ny mpilalao ary ny mpamokatra ka mety hisy ampahany amin’io “Malok’ila faha-9” io hotontosaina any Comores.

Hamaky ny tohiny
FTT