Loisirs

Takelaka fametahana afisy Ataon’ny olona fanahazan-damba fotsiny


  • Alarobia 13 Oktobra 2010

Miharihary loatra fa dia tsy miraika amin’izay propagandy ho amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalampanorenana ny Malagasy. Sasatra foana ny mpampandany ny ENY manentana ny olona, io ihany moa no mivezika atsy mivezika aroa, fa tsy taitra ny olona.

Zavatra hafa mihitsy no manahirana azy. Mahatsikaiky aza raha ny zavatra hita eto an-drenivohitra satria dia ataon’ny olona fanahazan-damba fotsiny ireny takela-kazo natokana hametahana afisin’ny propagandy ireny. Mazava ny resaka, fa na tsy mivaky loha ny olona na tsy azony tsotra izao koa ny zavatra iantsoana azy. Raha dinihina sy heverina amin’ny lafiny teknika tokoa mantsy dia tsy voalaza ao amin’ny didim-panjakana fanaikana mpifidy nivoaka tamin’ny 20 septambra 2010 izay zavatra iantsoana mpifidy ka hisafidianany. Faharoa, ny amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Izy io dia mifototra amin’ny lalàmpanorenana, noho izy fampiharana sy fanatanterahana izay zava-boalazan’ity farany. Ny mahagaga dia tany amin’ny volana desambra 2009 no efa navoaka tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana ny lalam-pifidianana nefa aty amin’ny volana novambra 2010 vao hofidiana ny lalàmpanorenana heverina fa hampiharina.

Ny sarety indray eto no mandeha alohan’ny biby. Fahatelo, ny amin’ny lisi-pifidianana. Ny fahadiovan’io no antoka hampangarahara ny fifidianana ary anisan’ny miantoka ihany koa ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Amin’izao fotoana izao anefa dia misafotofoto, ambony ambany io lisi-pifidianana io. Ka inona no fototr’ity fifidianana heverin’ny FAT (Fahefana Ambonin’ny Tetezamita) fa hatao sy hotanterahina ato ho ato ity ? Raha ireo lafin-javatra telo ireo fotsiny mantsy dia ampy hilazana fa tsy misy fototra mazava mba tsy hilazana fa tsy misy fotony, fa natao hampisavorovoro saim-bahoaka fotsiny. Tsy mahagaga raha ataon’ny olona fanahazan-damba fotsiny ny takela-kazo natao fametahana afisy ireny. 

Jean D.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT