Mifanesisesy indray tato ho ato izay ny fanambarana etsy sy eroa milaza fa tena mety amin’ny toeran’ny praiministry ny firaisam-pirenena, hono, ny jeneraly Camille Vital. Anisan’ny tena nitarika izany moa ny TGV.
Efa hita soritra sahady ny tohiny fa nofinofy ny hahita olona hafa hipetraka eny Mahazoarivo fa dia hanao izay fara heriny ireo mpomba an’i Andry Rajoelina hitazonana an’i Camille Vital, izay no mahatonga ny fanambarana miendrika fanoman-tsaina ho an’ny vahoaka, re isan’andro amin’ny filazam-baovao. Dia mazava ny resaka eto fa tohin’ny efa natao teny Ivato ihany izany rehetra izany dia ny fanatanterahana ny hetahetan’ny FAT saingy mody saronana amin’ny fakàna ny hevitry ny vahoaka. Toa voaporofo isan’andro ihany ny ahiahin’ny maro fa tsy manana eritreritra amin’ny hoe governemantan’ny firaisam-pirenena sy ny fiaraha-mitantana mihitsy ny manampahefana amin’izao fotoana fa dia hitondra samirerey ny firenena. Ary raha izao no mitohy dia efa azo antoka sahady fa ho vitsy ny mpikambana ao amin’ny governemanta hosoloina, fa hijanona amin’ny toerany daholo ireo ministra ireo.
Ny manahirana amin’ity raharaha ity mantsy, araka ny hevitry ny mpandinika ny raharaha politika iray tafaresaka taminay, dia tsy manan-tsafidy firy intsony ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, fa tsy maintsy mitazona ireo olona miaraka aminy amin’izao fotoana, satria tsy ho menatry ny hivadika sy hanongana azy mihitsy ireo raha vao esorina amin’ny toerany. Raha ny fahitana azy aza dia tsy vitsy amin’ireo ao anatin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao no manao izay rehetra azo atao hijanonany amin’ny seza, ary ny mpanohitra no levilevesina. Araka ny tsiliantsofina re ihany dia tsy vitsy amin’ireo ao anatin’ny FAT sy ny governemanta ihany koa ary ireo manana fahefana any amin’ny faritra no efa miomana sahady amin’ny fifidianana ka mampiasa ny fahefany sy ny fitaovam-panjakana hanaovana fampielezankevitra mialoha ny fotoana. Fantatr’i Andry Rajoelina tsara izany saingy tsy afa-manoatra izy ary tsy maintsy mikipy maso amin’ireny satria tsy te hampitombo ny fahavalo politikany, hono !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.