Tsy levon’ny vavonin’i Saina Michel, lehiben’ny faritra Analanjorofo, ny famoriam-bahoaka nataon’ny Ankolafy Telo, notarihan’ny Pr Zafy Albert tao Mananara Avaratra ny herinandro lasa teo.
Raha nanao tatitra tamin’ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pehefana, izay tonga tao Mahavelona Foulpointe, nihaona tamin’ny ireo Ben’ny tanàna avy any Vakinakaratra, Analanjorofo ary Atsinanana ary ireo lehiben’ny Fokontany ny kaominin’i Toamasina I izy, dia nilaza fa “tsy nahazo olona afa-tsy 10 na 15 raha be indrindra ireo Ankolafy Telo tao Mananara Avaratra. Lainga avokoa ireny sary navoaka sy naparitaka ireny. Namboarina ireny fa tsy ny tena zava-nisy marina”. Taorian’izay dia fanaratsiana ranofotsiny ny Ankolafy Telo ny tatitra nataony tao amin’ny hotely Manda Beach Foulpointe. Raha ny faniriany dia “tokony handraisana fepetra henjana ny toe-javatra toy ireny, satria milamina ny firenena izao, mandeha ny asa rehetra, miroso amin’ny fifidianana ny fanjakana, nefa ny fanjakana mihintsy no korontan’ny Ankolafy Telo ka ilazany fa tokony halana ny filohan’ny FAT”.
Nahagaga ny olona ihany anefa izany, satria olona 10 na 15 mivory ve, raha tena marina ny nambaran’i Saina Michel dia tokony handraisana fepetra hentitra. Raha ny zava-nisy tao Mananara Avaratra anefa, ho an’ireo mponina avy any sy ireo mpamily manao ny zotra Toamasina Mananara Avaratra, dia sady nahazo olona marobe tsy nampoizina ny Ankolafy Telo, no nanazava ny marina mikasika ny raharaha ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ary ara-politika misy eto. Izay no nahatonga ny mponina ho nitroatra milaza fa “leo sy tsy te-hiaina ny krizy intsony fa miala izay tsy mahavita azy amin’ny fampandrosoana ny firenena”. Nambaran’ireo mponina avy any ihany fa tena henjana ny sora-baventy naranty nandritra ity famoriam-bahoaka ity, ary tamin’ny fon’ny mponina mihintsy no nanaovany izany. “Noho ireo antsonjay sy fanampaham-pahefana nahazo ny vahoaka taty tao anatin’ireny resaka bolabola Ireneny”, hoy izy ireo. Ankoatra izany, tsy zakan’ingahy Saina Michel Désiré koa ny fakan’ny mpanao gazety ny sariny sy ny feony vaha nanao ity tatitra ity izy, ka ny mpanao gazety indray no saika namamparany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.