Tontosa omaly teny amin’ny fasan-drazany Ilanivato ny fandevenana an-dRabehasina Gabriel na i Gabhy rehefa avy natao veloma farany tao amin’ny Fjkm Anosipatrana. Mialoha io dia nosalorana ny mari-boninahitra «Grand croix de 2čme classe» izay mari-boninahitra ambony indrindra fanome olon-tsotra tao amin’ny Tranompokonolona Analakely izy.
Olona maro sy mpanakanto ary mpankafy samihafa no nanotrona io lanonana io. Nanamarika ny lehiben’ny mari-boninahim-pirenena, Ralitera Etienne, fa anisan’ireo mpanakanto tokony ho nahazo io mari-boninahitra io tamin’ny 26 jona 2010 teo i Gabhy saingy tsy mbola azony izany satria taraiky ny fivoahan’ny didim-panjakana momba izay tamin’ny gazetim-panjakana. Namoahana didim-panjakana manokana izy noho izany. Notsiahivina nandritra ny fanaovam-beloma azy farany ny tantaram-piainany amin’ny maha mpanakanto azy raha noventesin’ireo fianakaviana notronin’ny mpanakanto maro toa an’i Salomon, Gothlieb koa ny sanganasany na hira izany na tononkalo, satria mpanoratra ihany koa i Gabhy fony fahavelony.
Nanomana indrindra ny fankalazany ny tsingerin-taona faha-60 niakarany an-tsehatra i Gabhy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Nanao hira iray ho fahatsiarovana azy tao am-piangonana i Salomon izay akanga sisa nanamborana tamin’ny Kintana Telo, tarika nisy an’i Gabhy. Mbola naverin’i Mbato Ravaloson ny tantaram-piainany teny am-pandevenana. Tamin’izany koa no nilazan’i Ndriana Ramamonjy solontenan’ny mpanakanto fa “hanangom-bola ny mpanakanto any Frantsa ny zoma ho avy izao hanaovana tsangambato ho fahatsiarovana an’i Gabhy”. Amin’ny ankapobeny dia olon’ny vahoaka sy ny fiantrana i Gabhy. Anisan’izany ny famomezana solom-batomamy ho an’ny sahirana teo amin’ny manodidina ny fasany. Hafany tamin’ny fianakaviana io ary notanterahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.