Nifarana omaly ny fihaonamben’ireo Ben’ny tanŕna raha mbola tokony hitohy hatramin’ny anio izany. Nisy ny fehin-kevitra noraisin’ny mpivory mahakasika ny fifidianana ben’ny tanŕna izay hotontosaina ny 20 desambra 2010.
Nazava ny hevitra lanieran’ny maro an’isa fa tsy mitombina velively ny fandrosoana io fifidianana io raha ny lalàna manan-kery no arahana.
Toy izao ny votoatin’ilay fehin-kevitra : “Araka ny andininy faha-35-n’ny didy hitsivolana laharana faha 2010 tamin’ny 23 martsa 2010 mitondra ny lalàna fehizoro mahakasika ny fifidianana dia atao 90 andro farafahakeliny mialoha ny andro fifidianana izay voatondro amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fiantsoana ny mpifidy. Hatramin’izao anefa, tsy mbola nisy ny didim-panjakana na didim-pitondrana manambara ny datim-pifidianana kanefa tsy manambara ny datim-pifidianana rahateo ny didy hitsivolana laharana 2010-009 navoakan’ny FAT tamin’ny 06/10/10. Raha ny 06/10/10 indray no heverina fa daty fanaikana ny mpifidy dia tokony ho any amin’ny janoary 2011 no hanaovana ny fifidianana, nefa io vanim-potoana io dia voararan’ny lalàna fehizoron’ny fifidianana laharana 2010-003 tamin’ny 23/03/10 satria tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Mbola voalazan’ny andininy faha-36 ny lalàna fehizoro mahakasika ny fifidianana koa fa ny fifidianana dia tsy maintsy atao amin’ny andro maina, eo anelanelan’ny 30 aprily sy 30 novambra. Io vanim-potoana io dia voalazan’io andinin-dalàna io ihany fa azo hihoarana raha toa ka tratran’ny antony tsy azo hanoarana, ary ny Komitim-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) no mangataka izany eo anivon’ny fitsarana mahefa. Marihina anefa fa tsy hita taratra amin’ny “visa” ny didy hitsivolana laharana faha-2010-009 izany fangatahana nataon’ny “CENI” izay manambara ny anton’ny tsy azo ihoarana”.
Araka izany dia mihevitra ireo Ben’ny tanàna fa tsy hisy mihitsy ny fifidianana ny 20 desambra 2010 fa fitaka hanesorana azy ireo amin’ny toerany io. Takian’izy ireo kosa ny fampiharana ny didy hitsivolana 2007-001 tamin’ny 08 oktobra 2007 mahakasika ny fampiatoana vonjimaika amin’ny asa (Disponibilité) mialoha ny fampielezan-kevitra raha toa ka hotanterahana ihany ilay fifidianana. Voatsangana nandritra ny fihaonambe koa ny birao nasionalin’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny nosy ka lany ho filohany Ralaiseheno Guy izay nahazo ampahambato be indrindra nanoloana an’i Nivo Ruffin, Ben’ny tanànan’i Farafangana sy Rabemanana, Ben’ny tanànan’Ambohimahasoa. Filoha lefitra kosa Randriamampionona Adolphe, Ben’ny tanànan’Ambondromisotra. Hangataka fihaonana amin’ny filohan’ny FAT sy ny ministry ny fanajariana ny tany ny birao hanolorana ny hevitra tinapaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.