Raha mbola ifampitadiavana ilay sarimihetsika “Malokila 8 jours en France” dia efa am-piketrehana ny “Malok’ila faha-9” sahady ny ekipan’ny Scoop Digital. Am-periny tanteraka ny mpanoratra, ny mpilalao ary ny mpamokatra ka mety hisy ampahany amin’io “Malok’ila faha-9” io hotontosaina any Comores.
Fa iray volana sy tapany izao no nivoahan’ilay andian-tantara mampihomehy “Malok’ila 8 jours en France” vokarin’ny Scoop Digital. Fampisehoana anaty efitrano 345 no tontosa tao anatin’izay fe-potoana izay raha nahatratra 145.000 kosa ny isan’ireo mpijery. Navoaka Dvd sy Vcd indray ilay horonantsary ka haparitaka manomboka amin’ny alarobia 28 jolay izao. Tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany koa. “Hivoaka amin’io fotoana io ihany koa ny any Comores sy Frantsa izay efa misy mpaninjara ofisialy ny vokatry ny orinasa Scoop Digital. Efa misokatra ihany koa anefa ny tranokala ahafahana mividy ny andian-tantara”, hoy i Mamitiana, tale jeneralin’ny Scoop Digital. Maharitra 80 min ny halavan’ny “Malok’ila 8 jours en France” ao amin’ny Vcd raha mahatratra 105min kosa ny Dvd. “Noho ny fangatahan’ny mpankafy izay te hanaraka ny tantara iray manontolo tsy misy anapahana toa izay hitany nandritra ny fampisehoana tanaty efitrano no antony namokarana ny Dvd. Tsy midika anefa izany fa misy banga akory ny fizotry ny tantara ao amin’ny Vcd fa nezahana hampidirana anaty diska iray mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro” raha ny fanazavan’i Mamitiana ihany. Ankoatra ny hakanton’ny sary dia misy dikateny amin’ny fiteny frantsay ny tantara ao anatiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.