• Alatsinainy 15 Janoary 2018
Fandriampahalemana.Halatra moto sy vaky trano Olona 4 voasambotra teny Ivato

Olona miisa 4, vehivavy ny iray ary zazalahy tsy ampy taona koa ny iray tao anaty tambajotra iray mpanao halatra sy vaky trano no ravan’ny Zandarimariam-pirenena (ZP) teny Ankadindravola, kaominina Ivato ny 8 sy 9 janoary 2018 lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 12 Janoary 2018
Fandriampahalemana.Fakana an-keriny Votsotra omaly hariva i John Razaly

Iray volana latsaka kely taorian’ny nakana an-keriny azy dia fantatra fa navotsotra omaly hariva i John Razaly, ilay tovolahy vao 23 taona monja, teratany vahiny mpiasan’ny orinasa UCODIS.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 11 Janoary 2018
Fandriampahalemana.Isan’ny manamboninahitry ny zandary Manara-penitra ny anay, hoy ny SEG

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny zandarimariam-pirenena fa tsy araka ny fanakianana mandeha amin’izao fotoana amin’ny fanomezana grady sy ny fitsinjarana azy, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), Jeneraly Randriamahavalisoa Girard ny talata teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 11 Janoary 2018
Fandriampahalemana.5 lahy mpaka an-keriny Tsy nilavo lefona raha tsy maty ny 2

Jiolahy mpaka an-keriny miisa 5 no sarona omaly alarobia 10 janoary 2018 tao amin’ny fokontanin’Amboboka sy Manombosoa, distrika Malaimbandy ka ny 3 azo sambo-belona ary ny ny 2 kosa maty voatifitra rehefa nanohitra ny mpitandro ny filaminana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 10 Janoary 2018
Fandriampahalemana.Houcine Arfa Asaina samborin’ny Frantsay

Namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ilay teratany Frantsay Houcine Arfa 54 taona, izay notanana teny Tsiafahy nanomboka ny 20 jona 2017, ary nafindra teny Antanimora avy eo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 09 Janoary 2018
Fandriampahalemana.Tompon’andraikitry ny zandary tsy nahomby Andrasana ny fanapahan-kevitry ny SEG

Notontosaina omaly tetsy amin’ny toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary omaly ny lanonambe fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an’ny zandarimariam-pirenena.

Hamaky ny tohiny
FTT