Fandriampahalemana

Amparafaravola Dahalo 1 maty, olona 5 naratra


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Manomboka mahazo vahana ny amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny asan-dahalo, indrindra fa ny ao amin’ny distrikan’Amparafaravola.

 

Anisan’ny niaina izany ny tao amin’ny kaominina Amboavory distrikan’Amparafaravola ny alin’ny talata teo. Dahalo 30 mahery no indray nanafika tao amin’io tanàna io ka omby 50 no lasan’izy ireo ary olona dimy hafa kosa no naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ireo dahalo. Nanara-dia ireo dahalo avy hatrany ireo fokonolona sy mpitandro ny filaminana tao an-toerana, ka omby 42 isa no tafaverina amin’ny tompony soa aman-tsara. Nisy ihany koa ny dahalo iray maty ny zandarimariam-pirenena nandritra ny fifanjevoana. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka moa ireo olona dimy naratra, ka anisany ity renim-pianakaviana hitantsika amin’ny sary ity izay voamafy eo amin’ny masony. Nisy ihany koa ireo voatifitra tany amin’ny fitombenany….

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT