Fandriampahalemana

Imerintsiatosika Tratra ireo jiolahy raindahiny


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana folo no fantatra tetsy amin’ny kaominina Imerintsiatosika.

 

 

 

Fito no efa voatazona ankehitriny, ny telo ambiny mbola karohina dia i Haja mainty, Vonjy ary Naivo Pasteur. Raha ny fampitam-baovao nomen’ny zandarimariam-pirenena, mba ahafahana misambotra azy ireo dia niditra tamin’ny tetikady manokana nanomboka ny 13 mey hatramin’ny 18 mey lasa teo, hoy ny lehiben’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena, komandà Aubin Janvier. Lasibatr’ireo jiolahy ny omby 26 tao an-tanàna. Lehilahy iray antsoina hoe Aimé kosa no ambaran’ny mponina fa tena jiolahy raindahiny amin’ireto tambajotra ireto. Tsy mahasahy mitory anefa ny mponina noho ny tahotra saingy tsy nipetra-potsiny ireo zandary fa nanao ny ezaka ka nahatrarana ity vokatra ity, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT