Fandriampahalemana

Anosibe Misy andiana mpanendaka manafika sady midaroka


  • Zoma 07 Jona 2019

Efa tena mihoa-pefy ary feno fahasahiana ireo mpanendaka ankehitriny.

 

 

Tsy vitan'ny mangalatra fa midaroka avy hatrany. Ny tena loza dia tsy mandeha irery fa manao andiany mihitsy. Omaly tetsy Anosibe sahabo tamin' ny 6ora sy sasany hariva, trangana sintomahery miampy daroka miisa telo no niseho tao anatin' ny 10 minitra. Lasibatra tamin'izany ny tovovavy iray, renim-pianakaviana iray sy ny zanany ary lehilahy iray no niharan' ny herisetra. Toerana telo samihafa no nisian'ireo tranga ireo ary andiana mpanendaka samihafa ihany koa saingy ny fisehoany no mitovy. Mody manadala ny iray, tampoka avy eo akarapoky ny hafa amin'ny tany ary ny sasany midaroka dia ny hafa mangarona entana. Tena mampalahelo satria na tsy manohitra azy ireo aza dia darohiny avy hatrany. Tena efa miaina tanteraka ao anatin'ny gaboraraka isika mila fandraisana fanapahan-kevitra avy amin'ny fanjakana farany izay haingana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT