Fandriampahalemana

Toamasina Tratra ireo namaky ny “Accès banque” sy namono polisy iray


  • Alarobia 22 Mey 2019

Saron’ny polisy ireo telolahy namaky ny “Accès banque” tao Toamasina sy ilay lehilahy iray tompon’antoka tamin’ny famonoana polisy iray nitranga tany an-toerana ny 06 janoary lasa teo.

 

 

 

Raha tsiahivina, toerana telo no notafihin’ireo jiolahy teo  tamin’izay ary voaporofo tamin’ny alalan’ny “camera de surveillance” ny tarehin’izy ireo. Anisan’izany ilay tranombarotra mpamongady iray tao Tanambao fahadimy izay nahazoany vola 10 tapitrisa Ar. Nahazoany 50 tapitrisa Ar kosa ny Accès banque. Mbola tratra teny amin’ireo jiolahy ny basy PA iray nampiasain’izy ireo tamin’ny fanaovana ny asa fanafihana. Araka ny fanazavan’ny kaomisera  Rakotovao Jean Christian, lehiben’ny kaomisaria ao  Tanambao II,  misy vehivavy ny mpiray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy ireo ka rehefa nosavana ny tranony dia nahitana entana maro toy ny fanalahidy sy kitapo maromaro, kara-panondro maromaro .... Mbola karohina moa ny naman’izy ireo sasany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT