Fandriampahalemana

Fanafihana mpivarotra 80 tapitrisa ariary voaroba teny Andoharanofotsy


  • Zoma 24 Mey 2019

80.000.000 ariary no fitambaran’ny vola lasan’ny jiolahy nitondra basy poleta sy zava-maranitra tamin’ny tsenan’ny renim-pianakaviana teny Mahabo, Andoharanofotsy.

 

 

 

Ny talata antoandro tamin’ny 11ora sy sasany teo no nitrangan’ny fanafihana, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena Ankadilalana. Tsy nahetsika ilay vehivavy mpivarotra noho ny tahotra ny ainy ka nanome tsy sazoka ireo tahirim-bola rehetra teo am-pelatanany izay haterina ho vidin’entana tany amin’ny mpambongady. Araka ny voalazan’ny lasibatra, tsy misy fantatra ireo malaso nandroba ny volany. Efa lasa ela izy ireo vao nampandre ny mpitandro ny filaminana ilay renim-pianakaviana sy ny manodidina. Efa nanjavona anefa ireo tsy mataho-tody niaraka amin’ny vola be ka tsy tratra intsony. Ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy no mandray an-tanana ny raharaha sy ny tohin’ny fanadihadiana. Karohina koa ny mpiray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy izay heverina fa loharanom-baovaon’ny fisian’izao vola be izao.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT