Fandriampahalemana

Fanendahana mifanesy eny 67ha Lehilahy iray sy vehivavy bevohoka nadoboka am-ponja


  • Zoma 07 Jona 2019

Noho ny harom-paosy vola roa alina ariary, vehivavy bevohoka iray no voasambotry ny polisy ny talata 4 jona teo.

 

 

Tamin’ny 10 ora maraina no voasambotra ilay vehivavy rehefa nangarona ny vola tao am-paosina vehivavy nandalo teo amin’ny ny Paositra 67ha. Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria 67ha, izay nijoro teny am-pita no nahita azy nijokojoko ka nisambotra raha iny saika hitsoaka iny nony nahazo ilay vola. Tratra teny an-tanany ilay vola 20.000 Ariary, ka efa tafaverina tamin’ny tompony.  Tamin’ny 4 ora tolakandro koa no voasambotra teo amin’ny manodidina ny Mada Hotel 67ha ny lehilahy 1 hafa. Roa lahy izy ireo no niara-nanao ity asa ratsy ity fa tafaporitsaka ny iray. Vehivavy iray no lasibatr’izy ireo. Niantso vonjy avy hatrany ity farany ka polisy nanao fanamiana sivily no nisambotra azy ireo.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT