• Zoma 20 Oktobra 2017
Fahasalamana.Resaka vaksinin’ny pesta Nisahotaka i Toamasina

Nampisahotaka ny ray aman-dreny nanan-janaka madinika ao Toamasina omaly ny fipariahan’ny resaka fa misy mpitsabo mitety fokontany miaraka amin’ny miaramila ary manery ny tsy maintsy hanaovana vaksiny ny ankizy ho fiarovana amin’ny valanaretina pesta.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Oktobra 2017
Fahasalamana.Antananarivo 141 no mararin’ny pesta eny amin’ny hopitaly

Tsy nisy ny olona voaporofo ara-medikaly fa voan’ny pesta tato anatin’ny 3 andro izao, izay midika fa manomboka mihena ny tratran’ity valan’aretina ity, hoy ny minisitry ny fahasalamana ny Pr Lalatiana Randriamanarivo, omaly, teny Ambohidahy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Oktobra 2017
Fahasalamana.Aretina pesta Mbola mari-drefy faharoa i Madagasikara

Anisan'ny niteraka fanontaniana teny anivon'ny fiarahamonina tato ho ato ny famaritana ny haavon'ny aretina pesta eto amintsika izay navoakan'ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Oktobra 2017
Fahasalamana.Antenimieram-pirenena Notolorana fitaovana fitiliana ny pesta

Nanolotra maimaimpoana fitaovana fizahana hafanana maromaro ho an’ny Antenimieram-pirenena ny minisiteran’ny fahasalamana hoentina miatrika ny fiparitahan’ny aretina pesta ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Oktobra 2017
Fahasalamana.Aretin’ny voa Lafo loatra ho an’ny Malagasy ny fitsaboana azy

Ankoatra ny aretina homamiadana dia anisan’ny areti-mandoza iray tena atahoran’ny olona ihany koa amin’izao ny aretin’ny voa. Mahatratra 5 tapitrisa Ar isam-bolana mantsy ny vola ilain’ny marary iray mba hanaovany “dialyse” in-telo isan-kerinandro raha miandry fahafatesana kosa rehefa tsy manana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Oktobra 2017
Fahasalamana.Mitombo ireo matin’ny pesta Voafetra ny afaka manao fitiliana

Nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny fitsidihany ny toeram-pitehirizana fanafody SALAMA eny Tanjombato ny 10 oktobra teo, fa ampy tsara ny tahirim-panafody hiatrehana ny valan'aretina pesta. Efa misy rahateo ny fanaganana ny "cellule de crise" eo anivon'ny minisiteran'ny fahasalamana, mba mifehy sy miatrika ny valan’aretina.

Hamaky ny tohiny
FTT