Fahasalamana

« Salon de la santé, du bien-être et de la remise en forme » Mandray anjara mavitrika ny CNaPS


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Nanomboka omaly, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny hetsika momba ny fahasalamana sy ny fahazoana aina na « salon de la sante, du bien-être et de la remise en forme», andiany faharoa.

 Niavaka kokoa, mihoatra ny tamin’ny taon-dasa ny hetsika tamin’ity taona ity, araka ny nambaran-dramatoa Rova Andoniaina, tompon’andraikitra ao amin’ny Pro Active, mpikarakara ny hetsika.  Raha toa mantsy ka varotra fampirantiana no tena mibahan-toerana, rehefa misy hetsika tahaka izao, ho an’ity « salon » ity kosa dia  hiompana kokoa amin’ny fihainoana ireo mpitsidika, fa ihany koa fanomezana torohevitra avy amin’ireo manampahaizana no tanjony voalohany. Ankoatra izay ihany koa dia nomena laka kokoa ny fandraisana anjaran’ireo trano fiantohana toy ireo orinasa misahana ny fiahiana ara-tsosialy. « Ankavitsina ireo olona sahy manatona ireny mpiahy ara-tsosialy sy ara-pahasalamana anatina orinasa ireny, misy ireo voararaotra any amin’ny toeram-piasany ka izany no tanjona tamin’ny famondronana azy ireo tamin’ity hetsika ity », hoy hatrany ramatoa Rova. Anisan’ireo mpisehatra, mpiahy ara-tsosialy, tafiditra ao anatin’ireo mpandray anjara ao anatin’ity « salon » ity ny CNaPS na ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Anton’izany, araka ny nambaran’andriamatoa Ramamonjisoa Andoniaina, Contrôleur ao amin’ny CNaPS, ny fananan’ity tahirim-pirenena ity ny antsoina hoe « politique de la proximité », izany hoe fanatonana akaiky ireo olona sahaniny, ho fanomezana fahafaham-po sy fijerena akaiky azy ireo. Maro rahateo ireo olona no tsy afaka mandalo any amin’ny foibe ka ao anatin’ity « salon » ity no ahafahan’izy ireo manamora an’io fanatonana ny CNaPS io. Tsy voatery ho eny amin’ireo azansy madinika na foibe intsony no mandeha ny olona fa afaka manome fahafaham-po azy ny tranohevan’ny CNaPS. « Mitovy tanteraka amin’ireo tolotra azon’ny olona iray, eny amin’ny foibe, ny tolotra omen’ny tranohevan’ny CNaPS amin’ity hetsika ity. Tsy voatery hisahirana intsony ireo olona fa na hameraka antontan-taratasy aza dia vita eo », hoy hatrany andriamatoa Andoniaina. Ankoatran’izay ihany koa dia mifanaraka tsara amin’ireo tolotra omen’ny CNaPS ny anaran’io « salon » io, amin’ny alalan’ny fanoroana hevitra mahakasika ny « accident de travail », ny fisotroan-dronono, ny aretina azo am-perinasa. Hifarana rahampitso alahady ity “salon de la santé, du bien-être et de la remise en forme” ity. Mpitsidika 4.000 isa kosa no andrasana ka tafiditra ao anatin’izany ireo sokajin’olona rehetra : mpianatra, mpiasa, manampahaizana, daholobe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT