Fahasalamana

Ady amin’ny fihanaky ny pesta Tokony ho vain-dohan-draharaha, hoy ny depioten’Ikongo


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Tena mampisahota-tsaina ny vahoaka Malagasy ny resaka fahasalamam-bahoaka ankehitriny, hoy ny depiote voafidy tany Ikongo, Razafitsiandraofa Jean Brunel.

Tsy maharesy lahatra anay ny famahana ny olana ataon’ny governemanta Mahafaly Olivier ankehitriny, hoy izy. Tokony hataon’ny ety amin’ny Antenimieram-pirenena sy ry zareo eo anivon’ny mpanatanteraka vain-dohan-draharaha mihitsy ny amin’ity resaka pesta ity fa miriorio be tsy mahatombina mihitsy ny sain’ny vahoaka amin’io ankehitriny. Ho an’ny distrikan’Ikongo manokana dia kaominina iray ihany dia ny any Maromandia no voakasiny. Ity depiote ity dia nitondra tatitra nivantana teo anivon’ny fivoriamben’ny Antenimieram-pirenena ny alarobia teo ny nisian’ny firotsahan’ny oram-batravatra tany amin’ny kaominin’i Bala any Ikongo ka nilatsahan’ny havandra ohatry ny totohondry namotika sekoly niisa 6 be izao sy fiangonana ihany koa ary nametraka fahasahiranana ho an’ny vahoka miisa 400 be izao izay lasa traboina tsy fidiny. Sarotra koa ny famatsiana sakafo any amin’ny distrikan’Ikongo manontolo ankehitriny, hoy ity depiote ity, noho ny haratsin’ny lalana any an-toerana. Tsy nisalasala ity  solombavambahoaka ity nanao antso avo ny mba hijerena ny distrikan’Ikongo.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT