Nisehoana savoritaka indray teny Tanjombato omaly. Nisy olona maty efa nandrasana iray andro tao am-bohitra indray no nifandrotehan’ny BMH sy ny fokonolona teny an-toerana.
Voalaza fa matin’ny pesta io olona io, ka izay no nampirohotra ny BMH haka ny razana. Raha ny fepetra tsy maintsy arahina momba ny olona matin’ny pesta eto amintsika dia tsy azon’ny fianakaviana andrasana sy hatrehina. Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona ka niambina ny razana. Efa in-telo miantoana no nahitana tahaka izany teo anivon’ny hopitaly Befelatanana. Efa nisy olona roa maty tao amin’ity hopitaly ity herinandro maromaro, izay voalaza fa matin’ny pesta saingy nifandrotehan’ny fianakaviana sy ny BMH ihany koa ny razana. Vao ny alorobia lasa teo ihany koa, nisy vehivavy iray nambara fa matin’ny pesta tao an-toerana, saingy nentin’ny fianakaviana nitsoaka ny razana satria nambaran’izy ireo fa aretina homamiadana no nampidirana ity vehivavy ity tao amin’ny hopitaly. Efa nisy ihany koa ny sahotaka toy izao teny amin’ny fokontanin’Anosibe Mandrangobato. Zary miteraka tsy fitovian-kevitra mihitsy ity resaka pesta ity satria efa maro ny tranga maneho tsy fifankahazoana. Efa nisy teto amintsika aza moa ny resaka nandeha momba ny tsy fahamarinan’ny fitiliana amin’ny hoe olona tsy voan’ny pesta no nambara fa voa ary ny tsy voa no voalaza fa voa rehefa nalefa ny fitiliana teny amin’ny “Institut Pasteur”. Nisy ny olona nijoro vavolombelona fa raha natao ny TDR hitiliana ny pesta ny olona nifanerasera miisa 6 dia nanondro fa « positif » ny dimy ary « négatif » ny iray. Rehefa nalefa teny amin’ny Institut Pasteur nohamarinina anefa dia nivoaka fa « négatif » indray ny TDR an’ireo olona 5, izany hoe tsy voan’ny pesta izy ireo. Ilay iray nambara fa « négatif » na tsy voan’ny pesta no « positif », izany hoe tena voa. Ny toe-javatra tahaka izany no miteraka tsy fifampatokisana intsony. Vao mainka niteraka tsy fifankahazoan-kevitra ihany koa ny momba ilay hoe ho azon’ny fianakaviana atao ny mandevina ireo razana matin’ny pesta, saingy misy fepetra tsy maintsy harahina, saingy tsy nisy indray izany taty aoriana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.