Fahasalamana

Ady amin’ny pesta eto Antananarivo Miditra an-tsehatra ny minisiteran’ny mponina


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Ankorondrano andrefana, Anosibe, Ambohipo, Mandrangobato no nisantaran’ny minisiteran’ny mponina asa fanadiovana tamin’ny alalan’ny asa tanamaro nanomboka ny alakamisy teo ary hifarana anio sabotsy.


 Fokontany 53 ao anatin’ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra no nanatanterahana ny asa ka tafiditra ny fanesorana ny lobolobo, fanadiovana ny lakandrano sy ny tanimbary ary fanangonana ny fako ka olona 9000 no miasa sy mahazo tombony amin’izany. Zava-dehibe tokoa ny fanadiovana ireo lakandrano ao amin’ny boriborintany voalohany, fahatelo ary fahenina satria raha ireo no tsentsina dia azo antoka ny fahatondrahan’ny rano eto Antananarivo, ny vanim-potoan’ny orana rahateo efa ho avy amin’ny tapaky ny volana novambra ka aleo misoraka dieny izao, hoy ny minisitry ny mponina Onitiana Realy izay nidina an-tsehatra naira-nihosina tamin’ny mponin’Antananarivo nanatentaraka ny fanaadiovana niaraka tamin’ny depiote Vololona Victorine Raharisoa .Ho an’ny boriboritany fahaenina izany hoe Ambohimanarina sy ny manodidina izao ohatra, manavotra tokantrano 1000 amin’ny mety hisian’ny tondra-drano ny fanadiovana lakan-drano roa izay mirefy 250 metatra sy 500 metatra. Io ihany koa avy eo no hahafahana manondraka tanimbary 200 Ha izay mamelona olona tsy latsaky ny 10 000. Nanome fiara be 6 mba hahafahana manatanteraka ireo asa ireo ny SAMVA ary hita ho tena navitrika niasa ireo mponina satria mahafantatra tsara fa fisorohana ny mety ho fahapotehana sy fahasimbana izao rehefa tonga ny rotsak’orana. Mazava ho azy fa ady amin’ny fiparitahan’ny pesta ihany koa izao fanadiovana izao, iaraha-mahita ny ny loto amina toerana maro eto an-drenivohitra ka mahatonga ny hamaroan’ny olona voan’ny pesta. Tsy maintsy mifanome tanana isika manadio sy manome endrika ny renivohitr’i Madagasikara, hoy ny minisitry ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy Onitiana Realy, ka atao amin’ny alalan’ny asa azo tsapain-tanana sy mitondra voka-tsoa ho an’ny mponina izany fa tsy any anaty kabary fotsiny.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT