Fahasalamana

Aretina pesta Efa nihena ireo olona voany, hoy ny DVSSE


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Mihena hatrany ny isan’ireo olona lasibatry ny aretina pesta eto amintsika. Toerana maromaro, tato anatin’ny herinandro izao, no tafiditra tao anatin’ilay antsoina hoe :

“fin d’épidemie” izany hoe : herinandro tsy nahitana olona voan’ny pesta intsony, toy ny hita sy nitranga tao Toamasina II. Nihena ihany koa ireo olona niditra hopitaly tamin’ireo faritra nahitana ny trangan’aretina. Raha nahatratra 243 izany tamin’ny 24 oktobra lasa teo dia nihena ho 180 ny 25 oktobra ary efa tafidina 151 hatramin’ny omaly zoma 26 oktobra. Nisongadina ireo, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny sampandraharaha misahana ny fiparitahan’ny valan’aretina, eo anivon’ny  ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, teny Tsaralalàna, omaly na ny DVSSE. Ankoatra izay dia nampahafantatra ny ezaka ataon’izy ireo mikasika ireo olona matin’ny pesta, izay hiadiavan’ny fianakaviany amin’ny BMH ny nofo mangatsiakany, izy ireo. Efa manao fanadihadiana ny amin’izay vahaolana tokony horaisina mifandraika amin’izany ny minisitera, hoy ny dokotera Manitra Rakotoarivony, saingy hatreto aloha dia mbola tsy azo alevina am-pasan-drazana ireo olona matin’ny aretina pesta. Tsy azo hirotorotoana rahateo ny fikarohana hatao, hoy hatrany izy. Mikasika ny vola efa azon’ny fitondram-panjakana hatramin’izay, ho enti-miady amin’ity aretina ity moa, dia nanamafy ity dokotera ity fa tsy mbola nisy ny lelavola nivaingana, fa avy hatrany dia fanafody sy karazam-pitaovana no nomen’ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’ireny ny fanjakana Marokana izay vao avy nandefa karazana antibitioka 2.876 baoritra sy fitaovana samihafa tamina fiara madinika miisa telo ny herinandro teo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT