- Alakamisy 05 Mey 2011
Edito.Mpitari-bato vilam-bava …
Hamaky ny tohiny
Dia nanomboka omaly izany ny fotoam-pivoriana ofisialy voalohany ho an’ny Parlemanta, izay haharitra 60 andro.
Hamaky ny tohinyTao anatin’ny fifaliana sy firavoravoana no nandraisan’ny Amerikanina ny vaovao nilaza fa maty voatifitry ny miaramila Amerikanina tao amin’ny trano niereny niaraka tamin’ny fianakaviany tany Pakistan i Oussama Ben Laden, filoha mpanorina sy mitarika ny vondrona Al Qaida, izay nosokajiana ho vondrona mpanao asa fampihorohoroana efa ho 12 taona izao.
Hamaky ny tohinyAo anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny toekarena malagasy amin’izao fotoana. Nihena ny fanondranana entana mankany ivelany, tsy misy ny fanampiana avy any ivelany, mbola marobe ihany koa ireo mpandraharaha no tsy mampiditra ny vola vahiny azony eto Madagasikara.
Hamaky ny tohinyMipetraka ankehitriny ny fanontaniana taorian’ireo karazam-baovao nifamahofaho am-bolana maro sy ny zava-nitranga tao amin’ny mpanolotsaina monisipaly ny faran’ny herinandro teo hoe : tafiditra ao anatin’ny lisitra maintin’ny FAT ve ny PDS-n’Antananarivo renivohitra, Edgar Razafindravahy ka hikarohana ny hevitra rehetra hanilihana azy ?
Hamaky ny tohinyIray volana latsaka kely dia hivory tsy ara-potoana ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC ka ny raharaha Madagasikara no tena hibahan-toerana ao anatin’izany.
Hamaky ny tohiny