Edito

Mivaky roa !


  • Zoma 24 Jona 2011

Tsy mbola misy fitoniana eto ! Izay no azo hamehezana ny zava-misy rehetra taorian’ireny karazana fihaonana tetsy sy teroa ireny.

 Manomboka misavorovoro sy mifanasa vangy indray mantsy amin’izao andro vitsivitsy mialoha ny fetim-pirenena izao ny ankolafy politika maro ary milatsaka eo afovoan’izany fisafotofotoana izany ny SADC amin’ny alalan’ny Dr Leonardo Simao, izay tsy fantatra intsony na handamina na hanakorontana. Raha ilay resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety afak’omaly teny Ivato aloha dia tsy hampilamina mihitsy ny tontolo politika e ! Tsy nisalasala mantsy ity iraky ny SADC ity nilaza fa efa tara ihany ireo izay mihevitra ny hahazo toerana minisitra satria tsy hisy intsony, hono, ny fanovana ny governemanta. Niteraka resabe io fanambarana io ka tao ireo nilaza avy hatrany fa mety tsy hisy intsony koa izany ny fikitihana ireo rafitra hafa tahaka ny CT sy ny CST sy ny CENI. Koa mipetraka eto ny fanontaniana hoe : fiaraha-mitantana tahaka inona ary no eritreretin-dry Simao hapetraka eto Madagasikara ? Raha toa ka tsy hisy intsony ny fanovana ireo rafitra efa misy dia inona no antony nandaniam-potoana tany Windhoek sy Sandton fa tsy tonga dia namoaka fanambarana fotsiny sy SADC sy ny Vondrona Afrikanina hoe : ekena ilay sori-dalana ka manasa tanana amin’izay ankolafy tsy mety manao sonia sy mampihatra izany ny sehatra iraisam-pirenena ?

Fa nahoana no mitranga ny sangodim-panina tahaka ny misy amin’izao fotoana ? Omaly hafa no lazain’ny Sadc, anio mivadika zavatra hafa, dia samy mamoaka fanambarana ireo sekretera mpanatanteraky ny SADC ankilany sy ireo filoha Afrikanina Tatsimo sy Kongole andaniny. Raha ny fandinihana azy dia mifanipaka ireo fanambarana ireo, kanefa samy avy ao amin’ny SADC ihany no manao azy. Manahirana ny toe-draharaha ary mampanahy be ihany ny famahana ny krizy raha ny zava-misy amin’izao fotoana no dinihana sy fakafakaina lalina. Maro no mahita fa misy vela-pandrika goavana ataon’ny avy any ivelany amin’ny Malagasy ka raha mbola variana amin’ny adilahy politika ireo mpitondra sy ny mpanohitra dia ho mora amin’ireo mpanjanatany fahiny ny hampiady ny samy Malagasy ka hitsentsitra ny harena misy eto.

Manomboka mibaribary koa izao fa misy ny tsy fitovian-kevitra ao anatin’ny SADC, satria misy ireo tsy te hiasa saina intsony, noho ny antony tsy fantatra mazava fa dia manery ny ankolafy hafa fotsiny hanaiky ny FAT na mety izany na tsy mety ho an’ny firenena, ao kosa ireo mitady ny hampiharana ny fifanarahana nisy hatramin’izay dia ny fametrahana rafitra tetezamita iaraha-mitantana fa tsy anjakan’ny ankolafy tokana na mitovitovy fomba fijery sy tanjona. Tena mivaky roa ny SADC raha ny fahitana azy hatreto aloha. Azo antoka fa mbola hanasarotra ny famahana ny krizy izany satria efa ireo mpanelanelana mihitsy izao no tsy mitovy hevitra sy tsy miray feo intsony. Efa fahita ihany moa izany any amin’ny Firenena Mikambana amin’ireny fanapahan-kevitra isan-karazany ireny, ahitana izany koa ny tafiky ny OTAN amin’ny fanafihana an’i Libia. Dia sanatria ve ho lasa tahaka an’i Palestina sy Israely isika eto Madagasikara ka hampihavanina sy halamina mandrakizay ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT