Edito

Saro-bahana !


  • Alakamisy 23 Jona 2011

Tsy mbola hita hatramin’izao izay tena marina amin’ny famahana ny krizy.

 Ireo dinika nambara fa fiala-nenina dia toa vao mainka nampihenjan-droa ny tady ka dia tahaka ny zava-nisy taorian’ny Maputo II indray ny toe-draharaha ankehitriny, samy maka ho azy ary mifanesisesy ny fanambarana, misy mihitsy aza ny fihantsiana tsotra izao. Iza no tena milaza ny marina ? Inona ny fanambarana tena mitombina sy tokony harahina ? Raha misy fanambarana iray mivoaka mantsy ny alatsinainy, ohatra, dia misy fanambarana iray vaovao mifanohitra amin’iny mivoaka ny alakamisy. Aorian’izay dia misy fanambarana hafa indray, hany ka tena fanina tanteraka ny sarambabem-bahoaka mamantatra ny zava-misy marina. Kilalao ve sa kabary ifamaliana ity raharaham-pirenena ity ka izay tena be vava sy kinga amin’ny fanaparitahana vaovao no manana ny marina sy ekena ?

Milamina kely dia misavorovoro dia mikorontana. Izay no fahitana ny zava-misy amin’ny tontolo politika eto amintsika ary voaporofo izao fa tsy mbola matotra ny ankamaroan’ny mpanao politika ary mahazo aina amin’ny kilalao maloto fametsifetsena ny vahoaka. Na tiana na tsy tiana dia hanova zavatra eto ny fanapahan-kevitry ny Sadc ary hanana akony amin’izay mety ho fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikanina. Hita ho hafahafa be ihany anefa raha ny fahitan’ny maro azy ny fomba fiasan’ny Sadc ary manomboka mametra-panontaniana ireo mpanara-baovao politika. Ny hevitry ny Sadc marina ve sa ny hevitr’ireo lohandohan’ny mpisorona ao ireny mivoaka etsy sy eroa ireny ? Manan-kery ve izy ireny ? Soso-kevitra ihany ve sa baiko tsy maintsy arahana ? Ny tsara ho fantatra aloha dia ny fivoriamben’ireo filoham-panjakana sy ny rafitra rehetra ao anatiny ihany no manapa-kevitra eo anivon’ny Sadc araka ny sata mifehy ity fikambanana ity.

Mety manana ny heviny sy ny fahitany ny toe-draharaha kosa anefa ireo mitarika vaomiera na tompon’andraikitra ao amin’ny Sadc ka milaza ny heviny, na mitondra fanazavana fanampiny tamin’ny fehin-kevitra nivoaka tany aloha. Izany hoe afaka miteny i Chissano, Simao, Salomao, saingy ny hevitra avoaky ny fivoriambe ihany no tena izy. Ny antony ilazana izany mantsy dia maro be ireo feo mandeha etsy sy eroa momba ireo olon’ny Sadc manelanelana amin’ity raharaha Madagasikara ity. Ao no voalaza fa nahazo teny midina avy any amina firenena matanjaka, ao koa ireo hoe mirona kokoa an’Atoa Marc Ravalomanana, misy koa no voalaza fa mankasitraka an’i Andry Rajoelina. Tsiliantsofina ireo rehetra ireo fa tsy nahitana porofo mivaingana, saingy toa maro ihany no resy lahatra amin’ilay izy rehefa mahita ny fiovaovan’ny hevitry ny mpanelanelana sy ny Sadc. Sarotra ny famahana ny krizy Malagasy, hoy ny manampahaizana vahiny iray noho ny Malagasy tsy niady nifandramatra sy nifampitifitra tahaka ny nisy tany Afrika. Sahirana koa ireo mpanelanelana satria olona mifamono noho ny adim-poko no mahazatra azy hampihavanina fa tsy olona efa mahay milalao politika tahaka ny Malagasy, hoy ihany izy. Ka inona izany no tokony hatao raha sanatria ka tsy hisy mihitsy ny vahaolana ? Na ny mpanelanelana aza izany mety … mikaviavia !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT