Edito

Milamina ve sa mikorontana e ?


  • Zoma 17 Jona 2011

Efa nahafantarana an’Atoa Andry Rajoelina hatramin’izay ny fiovaovan-kevitra.

Na izany aza dia mbola mahavaka ny sain’ny maro ihany ny tsy fahamatorany, satria raha tena mpitondra mahalala ny tokony hataony sy izay mahasoa ny vahoaka izy dia tsy mandroso miverina fa manana fanapahan-kevitra matotra sy hentitra ary mahay mikaroka ny paikady rehetra hampahomby ny fandaharan’asany. Tsy horesahana eto ny resaka sori-dalana sy fanaovan-tsonia fa ny mikasika ilay hoe : filaminana sy fandriampahalemana no asian-teny kely. Nihazakazaka nanao fanambarana ireo olon’ny FAT ary nanitrikitrika fa tsy mety ny hiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ato ho ato fa mbola miandry fa mety hanakorontana, hono, izany ary tsy maintsy miandry fitoniana tsara eo amin’ny lafiny ara-politika sy ara-tsosialy.

Raha tsorina ny resaka dia hoe : aleo hilamina tsara aloha ny eto Madagasikara vao miverina eto ingahy Ravalomanana, izany hoe rehefa vita ny fametrahana ireo rafitra ao anatin’ny Repoblika faha-IV. Tsy mbola milamina ve ny amin’izao fotoana ary tsy mbola misy mihitsy ny fitoniana ? Koa raha izay no zava-misy, nahoana no mikiry hikarakara fifidianana ny FAT ? Fifidianana ao anatin’ny tsy fitoniana ve izany no tadiavina hotanterahana eto ka hitondra any amin’ny savorovoro manerana ny firenena ? Efa ho roa taona sy telo volana izay no teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina, tany amin’ny faran’ny taona 2009 no efa nodradradradraina fa hotanterahana ny fifidianana ary manana filoham-pirenena vaovao voafidim-bahoaka i Madagasikara mialoha ny hankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena.

Tsy nisy afa tsy fifidianana tokana dia ilay fitsapan-kevi-bahoaka nahitana tsy fahatomombanana maro dia maro tamin’ny 17 novambra 2010 ihany anefa no vita hatreto. Rehefa hoe hametraka ny fiaraha-mitantana amin’ny ankolafy hafa anefa ny FAT dia milaza indray fa tsy ilaina ary tsy mety izany satria efa voafehin’izy ireo ny zava-drehetra ary hotohizana ny lalana, izany hoe efa milamina ny resaka politika fa tsy mila ireo ankolafy hafa intsony hanakorontana ny rafitra efa napetraka. Dia fanina ny daholobe satria tsy fantatra intsony ny tena marina, milamina sa tsy milamina ny firenena, voafehin’i Andry Rajoelina marina ve ny fitantanana ny firenena, ary nahoana no mipoitra tsikelikely ny olana etsy sy eroa ? Raha toa ka misy mpanao politika ao ambadik’ireny nahoana no tsy samborina dia tsaraina dia gadraina raha meloka mba hampilamina ny fiarahamonina, fa tsy ny fanambarana fotsiny no atao mipoapoaka fa ny asa mivaingana tsy hita akory ? Mamofompofona krizy mafimafy kokoa eto amintsika ankehitriny ary hita fa manomboka tsy voafehin’ny FAT intsony izany rehetra izany. Ny mpahay toekarena iray moa dia efa nilaza fa roa na telo taona aorian’ny niandohan’ny krizy vao tena mihatra mivantana amin’ny isan-tokantrano izany ary manomboka saro-bahana. Moa va tsy efa izany no mitranga ankehitriny ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT