Edito

Ho nofy ihany …


  • Alatsinainy 20 Jona 2011

Andrasana amin’ity herinandro ity ny mety ho fahatongavan’ny iraky ny Sadc eto Madagasikara mba hanohizana ny dingana amin’ny famahana ny krizy.

 Na dia miezaka ny mampiely vaovao etsy sy eroa aza mantsy ny FAT fa efa vita ny resaka dia mazava izao fa tsy maintsy ampidirina ao anatin’ilay sori-dalana aloha ny fanitsiana maromaro izay vao hiroso amin’ny fanaovan-tsonia ireo vondrona politika 11 miaraka amin’ny mpanelanelana. Tsy ho mora izany rehetra izany satria efa nampitandrina mazava be mihitsy ny FAT na tamin’ny alalan’i Andry Rajoelina izany, na i Norbert Lala Ratsirahonana fa tsy voatery hanaiky izay fanitsiana tian’ny ankolafy hafa atao ry zareo fa ny fantany dia efa neken’ny Sadc ilay sori-dalana ary efa ny fampiharana azy izao no tanterahana. Raha tsy misy ny fiovana dia eto Madagasikara no tokony hanaovana sonia ilay sori-dalana ka amin’izay fotoana izay dia efa tafody eto ny filoha teo aloha isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Mazava ny hevitry ny fitondrana tetezamita fa afaka miditra eto ihany ny amiraly. I Dada aloha, raha ny sitrapon’izy ireo, dia mivantana any Tsiafahy na Antanimora avy hatrany vantany vao manitsaka ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Afaka mandefitra amin’ny zavatra maro ny FAT fa tsy hilefitra mihitsy amin’io fodian’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara io. Tsy tongatonga ho azy ireny fanambaran’ny foloalindahy ireny fa na tiana na tsy tiana dia misy ifandraisany amin’ny hevitry ny filohan’ny FAT sy ireo miara-dia aminy. Tsy tahotra tsy henatra ihany koa moa ny an’ireo TIM “nivadika” fa dia mandefona ivoho sy nitsipa-doha ny lakana nitana. Ho mafimafy ihany, araka izany, ny asan’ireo mpanelanelana avy amin’ny Sadc ho avy eto satria mbola lavitra ny lalana ary vao mainka hanasarotra sy hanakorontana ny tontolo politika indray, raha toa ka zavatra hafa mihitsy no niavaka tany Sandton no aroso hatao sonia.

Fa mandra-piandry izany rehetra izany aloha dia efa nanomboka ny fety ho fanamarihana indray ny fankalazana ny faha-51 taona niverenan’ny fahaleovantena, 26 jona fanintelony niarahan’i Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka Malagasy amin’ny maha filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita azy ny amin’ity taona ity ary dia tena hafa ny fety aman-danonana satria io rahateo no zavatra anisan’ny tena voafehin’ny FAT. Raha ny fandaharam-potoana nivoaka hatreto aloha dia tahaka ny tsy misy indray ny mpanakanto vahiny amin’ity taona ity. Mety efa nahazo lesona tamin’ny fanakianana maro tamin’ny taon-dasa angamba ny FAT ka tsy nidi-kizo intsony ka vahiny no asaina mampitotorebika ny Malagasy sy manaitra ny fiandrianam-pireneny. Mbola mafampana ny tontolo politika ary tena mbola mihenjan-droa ny tady, ary miha mitombo ihany amin’izao fotoana ireo mitaky ny hifanatrehan’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana mivantana. Raha tsy tanteraka izany dia ho nofy ihany ny hoe fampihavanam-pirenena sy fisian’ny fitoniana izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT