Hita fa mbola vitsivitsy ihany ireo tokantrano manangan-tsaina amin’izao enina andro mialoha ny datin’ny 26 jona hankalazana ny fetim-pirenena izao.
Hita ho mangingina ny fety sy ny fanomanana na dia tamin’ny fomba manetriketrika aza no nanokafana am-bavaka ny herinandrom-pankalazana ny sabotsy lasa teo teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Ao ambadika andrefan’io ihany koa moa no hanatanterahana ny matso lehibe ny alahady ho avy izao. Mety maro no azo handikana ny fahalainan’ny olona hanangan-tsaina amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Eo aloha ilay hoe efa ela mihitsy ny Malagasy no tsy dia rototra firy amin’ny hoe fitiavan-tanindrazana, tahaka ny teny fambara amin’ny fotoana manokana ihany izy io, ary nijanona ho filamatra tahaka ny fihavanana.
Mety ny mpitondra nifandimby teto koa angamba no tsy nahay nikolokolo izany ka lasa tantara sisa ny ady tamin’ny mpanjanatany tamin’ny 1895 sy 1947, ary vanim-potoana nandalo fotsiny ihany koa ny 1972, 1991, 2002 ary 2009. Mety fomba fanehoan-kevitra ihany koa ny tsy fananganan-tsaina satria tato anatin’ny roa taona izao dia voasokajy ho mampihorohoro sy mpanakorontana izay maneho hevitra an-kalamanjana manohitra ny fitondrana. Ny hoe mpanohitra hiteny amin’ny RNM na TVM aloha dia nofinofy fa tsy arak’ilay hoe fanovana notakiana tamin’ny 2009. Raha toa ka ny fandaminana ny fiarahamonina sy ny fitiavan-tanindrazana marina no antom-pisian’ireo antoko politika 300 mahery misy eto Madagasikara amin’izao fotoana dia tsy tokony ho olana mihitsy ny fanentanana ny olom-pirenena hanangan-tsaina noho ny fahatongavan’ny 26 jona.
Mibaribary izao anefa fa tsy any amin’ny fanabeazana ny vahoaka hahay politika ho amin’ny fanasoavana ny tanindrazana iombonana no tena mahamaika ireo izay manangana antoko sy fikambanana politika etsy sy eroa fa ny hahazo toerana sy voninahitra ary famatsiam-bola tsy fanta-piaviana. Tsy tokony hohamaivanin’ny mpitondra tetezamita izao tranga izao ary tokony hampieritreritra lalina azy ireo fa manomboka efa miseho amin’ny endriny hafa ny tsy fankatoavan’ny olona ny fitantanan’ny FAT sy ny fitarazohan’ny krizy. Tsy sanatria manao ho tsinontsinona ny fanajana ny fankalazana ny fetim-pirenena ireo tokantrano maro be tsy manangan-tsaina, fa kosa maneho ny fanoherany ny fitondran’ny FAT amin’ny endriny hafa sy manaitra kokoa rehefa tsy azo atao ny midina an-dalambe. Azo ilazana ihany koa ny tranga tahaka izao fa tsy tafita any amin’ny olom-pirenena ny fanentanana etsy sy eroa. Tena mila mieritreritra sy mandini-tena, araka izany, ireo misora-tena ho tompon’ny fahefana satria mihena ny isan’ny vahoaka manaraka azy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.