Mazava izao ny resaka fa na hanaiky na tsia ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena dia hiroso amin’ny fifidianana isika, ary efa miasa mafy ho amin’ny fanatanterahana izany ny FAT ka atao izay rehetra azo hanampiana ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).
Hatramin’izao aloha dia vola avy amin’ny fanjakana ihany no ampiasain’ny CENI ary mbola maro no tsy matoky fa hoe tena mahaleotena izany ity vaomiera mikarakara ny fifidianana ity, ary misy ny teny midina sy toromarika avy any ambonimbony any. Raha ny voalazan’ireo fifanarahana politika maromaro narafitra tato anatin’ny roa taona izay dia ao anatin’ny maintany no hanaovana ny fifidianana. Raha atao izany ny kajy tsotsotra dia manana dimy volana hikarakarana sy hanatanterahana fifidianana ny FAT. Araka ny resaka mandeha hatramin’ny ela moa dia fifidianana roa no hitranga amin’ity taona ity dia ny fifidianana depiote sy filoham-pirenena. Rehefa tafapetraka soa aman-tsara ny filohan’ny Repoblika faha-IV sy ny governemanta vao hodinihana indray ireo karazam-pifidianana, tahaka ny loholona, ny Ben’ny tanàna, ny sefo Fokontany ary ny filohan’ny Faritany, satria rafitra faritany fa tsy faritra intsony no voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenana.
Eo anoloan’izay vinavina rehetra izay dia mahatsikaritra ireo maharaka tsara ny tantaram-pirenena, fa raha tsy nisy ny savorovoro sy ny krizy dia efa ao anatin’ny fikarakarana fifidianana tanteraka isika amin’izao fotoana. Hifarana amin’ny desambra 2011 mantsy ny fotoam-piasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha tsy nisy nanongana. Manoloana ireo olana ara-politika nitranga nanomboka tamin’ny 2008 dia azo natao tsara ny nanatanteraka fifidianana mialoha ny fotoana. Tamin’izany fotoana rahateo dia efa niroso tamin’ny fandrafetana sy sata mifehy ny antoko politika ny fitondrana, saingy tsy noraharahain’ireo mpikarama an’ady politika fa dia ny handrodana ny fitondrana ihany no tena masaka tao an-tsain’izy ireo.
Azo natao tsara ihany koa ny nanangana CENI nifanarahan’ny ankolafy politika rehetra raha toa ka tsy mety amin’ny besinimaro intsony ilay hoe ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny atitany no mikarakara fifidianana, kanefa dia kandida ilay filoham-pirenena am-perinasa. Ankehitriny anefa sady mihamafy ny krizy, tsy misy ny fitoniana ara-politika, mbola mifandramatra ireo vondrona sy ankolafy politika isan-karazany, no mbola ankamantatra ny hahavitan’ny fifidianana. Ny toekaren’ny firenena anefa efa tena mikorontana ary ho sarotra ny fanarenana azy. Sahirana tanteraka ny FAT mandamina ny raharaha ary tena tanteraka mihitsy eto ilay hoe main’ny afo natsangany i Andry Rajoelina ary izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny krizy manjo ny firenena satria izy no nitarika ny fandrodanana ny fitondrana teo aloha izay nahatonga izao krizy izao. Maro be ny fomba azo hanitsiana ny famindra sy fomba fiasa tsy mety ataon’ny mpitondra fanjakana fa tsy voatery hoe manao fanonganam-panjakana. Mahita tsara ny dôziny ankehitriny i Andry Rajoelina, fa tsy mora ny mitantana firenena ka ny mahasoa ny vahoaka no mibaiko ny mpitondra fa tsy izay mahafalifaly ny mpanao politika... !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.